Ao anatin’ny fiomanana amin’ny fankalazana ny taon-jobily 2025 ny fiangonana katolika. “Mpivahinin’ny fanantenana” no lohahevitra amin’izany, izay hosokafana amin’ny alalan’ny fotoam-bavaka amin’ity taona ity. Taom-pahasoavana ny jobily ka ezahina ny handalina sy hiaina bebe kokoa ny finoana. “Noho ny fahasahiranana, ny fahantrana, ny herisetra, ny ady manjaka eran-tany dia kivy […]
Taratra
Politika ankapoben’ny fanjakana : mahazo mitondra soso-kevitra ny depiote
Nisokatra omaly, ary tsy hihoatra ny 12 andro, ny fivoriana tsy ara-potoana eo anivon’ ny parlemanta. Anisan’ny nisongadina teny Tsimbazaza ny fisokafana ho amin’ny hanatsarana ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE). “Araka ny And. 99 ao amin’ny Lalàmpanorenana, manana hevitra sy afa-mitondra soso-kevitra ihany koa ny solombavambahoaka, raha misy ny ilàna […]
INDRAY MIJERY
Manoloana ny fitarainana niparitaka tamin’ny tambajotra sosialy momba ny fanomezan-dra, nilaza ny sampandraharaha misahana ny famindrana ra fa maimaimpoana ny fanomezana izany ho an’ireo marary eny amin’ny hopitaly. Tsy maintsy mitondra olona roa kosa hanolo ny ra iray paosy, hanampiana ny tahiry. Manao fanentanana ny kaominina Antananarivo Renivohitra amin’ny hamenoana […]
CEE 2024 : voafantina ireo tanora hanaraka fiofanana
Nampahafantarin’ny masoivoho amerikanina, omaly, ireo tanora 4 mirahavavy voafantina hisitraka ny “Community Engagement Exchange Program, (CEE)”, taona 2024. Anisan’ izany i Jannie Betrasimplice, Razafiarivony Raissa, Randriarimanana lalaina ary Randriamampianina Mialy. Voafidy hanaraka ny fiofanana CEE izy mirahavavy voalohany, raha ho mpitari-dalana na CEE Specialists kosa i Lalaina sy i Mialy. […]
Angovo azo havaozina : hampianarina amin’ ny sekoly teknika
Anisan’ny laharam-pahamehan’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ny sehatry ny taotrano sy ny asa vaventy ary ny loharano stratejika. Nisy ny fanadihadiana natao momba ny angovo azo havaozina. Niarahana tamin’ny GIZ sy ny Insitut européen de coopération et de développement (IECD) ny nanatanterahina izany. Hametraka rafitra fanofanana mifanaraka […]




