Taon-jobily 2025 : mamelona ny fanantenana ny fiangonana katolika

Ao anatin’ny fiomanana amin’ny fankalazana ny taon-jobily 2025 ny fiangonana ka­­tolika. “Mpivahinin’ny fanantenana” no lohahevitra amin’izany, izay hosokafana amin’ny alalan’ny fotoam-ba­va­ka amin’ity taona ity. Taom-pahasoavana ny jobily ka ezahina ny handalina sy hiaina bebe kokoa ny finoana. “No­ho ny fahasahiranana, ny fahantrana, ny herisetra, ny ady manjaka eran-tany dia ki­vy ny olona. Hijoro, araka iza­ny, ny fiangonana hamelona indray ny fanantenana ao anatin’ny tsirairay”, hoy ny Mon­seigneur Rosario Vella, filohan’ny vaomieran’ny Eve­ka ho an’ny fiaraha-miasa mi­si­onera, tetsy Antanimena. “Ampirisihina ny fanaovan’ny tsirairay ny vavaka…”, hoy mompera Rakotoarisoa Jean Claude, tale nasionalin’ny OPM.
Araka ny tetiandro efa ni­voaka, hosokafan’ny Papa Ray masina amin’ny 24 de­sam­bara 2024 ny varavarana masina ao Roma. Entina ha­n­o­­kafana ny taon-jobily 2025.

Mino

Partager sur: