Namoaka tenimita ho fampahatsiahivana ny fitsipika aman-dalàna mifehy ny toeram-pianarana ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Nanasonia izany ny sekretera jeneralin’ny minisitera, Atoa Rabenandrasana Théophil. «Tsy maintsy antitranterin’ny talen-tsekoly amin’ny mpianatra ny fanajana ny fitsipika mifehy ny sekoly mandritra ny fananganan-tsaina amin’ny alatsinainy izao. Ny tsy fanajana ireo fepetra dia mitarika fanasaziana izay […]
Taratra
Manao tampody fohy i Freddy : nahazo filazana fanairana ny faritra Menabe sy Atsimo Andrefana
Na mbola maivana aza ny herin’ilay andro ratsy avy amin’ny sisan-drahon’i Freddy, ahina hivadika ho rivodoza indray izy. Efa nahazo filazana fanairana sahady ny faritra Menabe sy Atsimo Andrefana. Niverina ao amin’ny lakandranon’i Mozambika, omaly maraina ny sisan’ilay rivodoza Freddy rehefa nijanona andro vitsivitsy tany Mozambika. Malefaka ny heriny. «Lavitra […]
Tsenan’ny mozika : kitihin’ny any ivelany ry Takasy Hasy
Mamiratra maneran-tany ny mozika malagasy ! Vao avy nanaporofo izany indray ny tarika Takasy Hasy sy i Vakamiarina, izay nahazo ny laharana fahatelo tamin’ilay « World Music Trophy », notontosaina tany Texas. Nihaona tamin’ny mpanao gazety, nitantara ny zava-nisy tany an-toerana ny tarika Takasy Hasy ny faran’ny herinandro teo. “Efa maromaro ireo mpikarakara […]
Ho fanamarihana ny 8 marsa : hamoaka ny rakikira « Mangina » i Ngita
Ngita no anarany… Mpanakanto malagasy, mpamorona sy mpihira, avy any amin’iny faritra Atsimo Atsinanana iny. Mety vitsy no mahalala azy, satria monina any Frantsa rahateo i Ngita. Ireo sanganasany kosa anefa efa maro no re maneran-tany, satria mitrandraka indrindra izay “World music” izay izy. Tamin’ny taona 2011 no namoahan’i Ngita […]
Slam Tana : manomboka ny fifaninanana ho an’ny matihanina
Atomboka amin’ny fomba ofisialy, mandritra ny fampisehoana ao amin’ny Intsitut français de Madagascar (IFM) Analakely, ny hetsika “Slam mastering contest de Tanà”. Fampisehoana isan’ny sangany, indrindra ho an’ny mpiangaly Slam. Miisa 5 ny mpifaninana. Hisy ny loka avy amin’ny Madagaslam section Tana (MST) atolotra ho an’ny mpandresy. Fifaninanana Slam ihaonan’ny […]