Manao antso amin’ny tomponandraikitra ny mponina sy ny mpitsabo eny amin’ny fokontany Ilanivato. Miteraka tsy fahasalamana, indrindra ho an’ny ankizy ny fivangongoan’ny fako eny Anosipatrana. Miakatra be ny isan’ny olona marary, ahitana ankizy sy olon-dehibe, manatona tobim-pahasalamana, ao anatin’ny fokontany Ilanivato. Nanomboka ny volana desambra lasa teo izany. Matetika mahazo […]
Taratra
Fandraharahana: vonona hampandroso ny indostria malagasy ny UE
Hiara-kiasa akaiky ny Vondrona eoropeana (UE) sy ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC) amin’ny fampandrosoana ny indostria eto Madagasikara. Voalaza izany, nandritra ny fifanakalozan’ny minisitra, Razafindravahy Edgard, sy ny ambasadaoron’ny Vondrona eoropeana, Isabelle Delattre Burger, omaly, tetsy Ambohidahy. Hojerena manokana ny tontolon’ny fampiasam-bola sy ny momba ireo […]
Jobily faha-25 taona : miara-miasa ny sekoly Emit sy ny Airtel
Manomana ny faha-25 taona niorenany ny Sekolim-pirenena ambony ho an’ny fitantanana sy ny fikarohana ara-teknolojia (Emit) any Fianarantsoa sy ny mpiara-miombon’antoka aminy, ny orinasa Airtel Madagasikara. Nihaona tamin’ireo tomponandraikitry ny sekoly, ny mpampianatra, ny solontenan’ny mpianatra ary ny fikambanana samihafa any an-toerana, ny avy amin’ ny Airtel, notarihin’ny tale jeneraly […]
Taninketsa indostrialy: hapetraka isaky ny kaominina
Paikady vaovao indray no entin’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra amin’ny fampandrosoana ny sehatry ny indostria eto Madagasikara. Hapetraka isaky ny kaominina ny taninketsa indostrialy. Anatin’ny fanatanterahana izany ny minisitera amin’izao fotoana. Nahazo ny anjara taninketsany indostrialy Antsirabe an-tampon-tanàna sy Betafo. Nisitraka milina mpanodina paoma ho lasa vinaigre […]
Nandritra ny 54 taona : mitentina 920 tapitrisa euros ny famatsiam-bola nataon’ny BEI
Mpiara-miasa akaiky amin’ny fanjakana malagasy ny Banky eoropeanina momba ny famatsiam-bola (BEI), amin’ny fanatanterahana ireo tetikasa samihafa atao eto amin’ny firenena. Hatramin’ny taona 1970, nahatratra 920 tapitrisa euros ny famatsiam-bola azon’i Madagasikara. Manodidina ny 43 ireo tetikasa nahazo famatsiam-bola avy amin’ny Banque européenne d’investissement (BEI) teto Madagasikara, hatramin’ny taona 1970, […]




