Taratra

TGC – 20 Taona: hiverina hiseho etsy Analakely

Ny 4 febroary 2004 no nanomboka ny tantara… Tao amin’ ny Tranompokonolona Analakely, niaka-tsehatra voalohany ny Tanà Gospel Choir-TGC. Antony iray nisafidianan’izy ireo ny hiverina ao amin’ity toerana ity izany, 20 taona aty aoriana. “Tamin’ny voalohany” ny anaran’ny seho, izay hotontosaina ny 4 febroary izao, izay maneho indrindra ny fahatsiarovana […]

FANTINA sy FINTINA

Niverina ho depiote ny minisitry ny Asa teo aloha, Rivotiana Jean Bosco sy ny minisitry ny Fiompiana teo aloha, i Raymond. Navoakan’ny HCC taorian’ny fangatahan’ny filohan’ny Antenimierampirenena izany fanapahana izany. Nambaran-dRaderanirina Sendrison, filohan’ny antoko Fy-M fa tokony hohenoin’ny fitondram-panjakana ireo fitakian’ny Von­dron’ny kandidà (C11), tamin’ireny fififidianana ireny. Vonona hiatrika ny […]

VHT: “Ny fifidianana depiote no tokony hatao mialoha”

“Ny heno dia hoe ny fifidianana depiote no handeha mialoha, izay vao ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna. Raha ny marina, izay lany fe-potoam-piasana no mandeha aloha”. Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny an­toko Vonona hijoro ho an’ny tanindrazana (VHT), Razana­koto Norbert, ny amin’izay fifidianana tokony hatao mialoha izay. Tsy […]

Ra latsaka 

  Tafahoatra ny zava-miseho eto amin’ny firenena ! Ra latsaka etsy, ra latsaka eroa vokatry ny lozam-pifamoivoizana sy ny vono olona. Mampiteny ny « moana » ny trangam-piarahamonina mitranga na an-tanàn-dehibe na ambanivohitra. Tena mijininika ara-bakiteny. Voaporofo fa zary tsy misy lanjany amin-dRamalagasy intsony ny aina. Mahatonga saina ny firongatry ny tifitra tsy […]