Taratra

Tanamasoandro Imerintsiatosika : velaran-tany 20 ha novolena zana-kazo

Nisokatra omaly tamin’ny fomba ofisialy ny taona fambolen-kazo. “Fambolen-kazo manarina ny tontolo iainana sy mamelon’aina no tanjona”, hoy ny filoha Rajoelina Andry. Tontosa teny Imerintsia­tosika, omaly, ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo 2024. Niatrika izany ny filoham-pirenena, Rajoelina An­dry mivady niaraka tamin’ny mpikambana eo anivon’ny go­vernemanta sy olo-manankaja maro. […]

SOMBIM-BAOVAO

Nanao lalao ara-pirahalahiana entina hanomanana ny “Pureplay football league”, ny Fosa Junior FC Boeny sy ny Mama FC Fianarantsoa. Lavon’ny Fosa tamin’ny isa 2 no ho 0 ny Mama FC tamin’ity fihaonana ity. Fifanandrinana natao ny alakamisy lasa teo, teny amin’ny kianja annexe Mahamasina. Hotanterahina manomboka anio ny lalao fifanintsanana […]

Telma coupe de Madagascar : hanala vela amin’ny Elgeco Plus ny CFFA

Ho fantatra rahampitso alahady, etsy amin’ny kianja Elgeco Plus Stadium By-Pass, izay hibata ny amboaran’i Ma­dagasikara, eo amin’ny taranja baolina kitra (Telma coupe de Madagascar 2023). Hifa­nandrina hiady izay ho lohany amin’izany ny CFFA Andoha­ranofotsy sy ny Elgeco Plus, samy ekipan’Anala­manga. Klioba roa diso mifankahalala tsara ny an-daniny sy ny […]

Moto – Mada 2024 : hanomboka rahampitso ny fifaninanana

Mikarakara fifaninanana voalohany ny federasiona malagasin’ny taranja Moto (FMaM), amin’ity taona 2024 ity. Nahatratra 55 ireo mpandray anjara amin’izany. Hotanterahina eny Am­bohidava, ny alahady 28 janoary, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Mada­gasikara, taranja Moto Cross, taona 2024. Handray anjara amin’izany ry Randy sy Claudio ary i Mathias, tompondaka “élite 1” […]