“Ny heno dia hoe ny fifidianana depiote no handeha mialoha, izay vao ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna. Raha ny marina, izay lany fe-potoam-piasana no mandeha aloha”. Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny antoko Vonona hijoro ho an’ny tanindrazana (VHT), Razanakoto Norbert, ny amin’izay fifidianana tokony hatao mialoha izay. Tsy mbola tapitra ny fe-potoam-piasan’ny depiote, inona no hihazakazahana amin’ny fifidianana amin’izany? Efa kajikajy politika izany sa fandikan-dalàna? Izay lany fe-potoam-piasana no tokony hohavaozina… Mbola ampiasaina ve ny hoe mitsinjo mialoha izay mety hiseho ny mitondra? Efa fantatra hatrany am-boalohany hoe lany fe-potoam-piasana amin’ny daty izao ny olom-boafidy eny amin’ny kaominina. Ny fanjakana foibe ihany no tsy maintsy manapa-kevitra ny amin’ny fifidianana.
Misy ny fitavozavozana amin’ny fandraisana andraikitra, araka ny nambarany. Efa tapitra ny fe-potoam-piasan’ny olom-boafidy eny anivon’ny kaominina vao manontany ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) ny governemanta. Nefa governemanta efa teo ihany, ary efa tokony ho nataony izany hatramin’izay. Izay no mahatonga ny fanontanaina hoe: mbola misy fitondram-panjakana eo ambanin’ny lalàna ve eto amintsika? Manaja lalàna izany. Asa, izay hataon’ny vahoaka?
R. Nd.




