Nosamborin’ny mpitandro filaminana ny tovovavy iray 17 taona, namono nahafaty ny zanany vao 2 volana monja, teny amin’ny kaominina Ambatomirahavavy, afakomaly. Notsindrominy tamin’ny hazo saingy tsy tapitr’aina, nokendainy sady nalentiny tao anaty rano io zaza io avy eo, araka ny fitantarany tamin’ireo olona nisambotra azy. Diso fanantenana tamin’ny rain’ilay rain-janany […]
Taratra
Trano misy rihana telo nirodana : Efatra mianaka nieren-doza tetsy Andavamamba
Nirodana tampoka ny trano misy rihana telo, andalam-pahavitana, tetsy amin’ny fokontany Andavamamba Anatihazo, omaly maraina tokony ho tamin’ny 7 ora. Nianjera tamin’ny trano roa samihafa teo anilany izany. Tsy nisy olona naratra na namoy ny ainy nandritra ny tranga fa potika sy rava tanteraka ireo trano voakasika sy ny entana […]
Biraon’ny Jirama voatafika : Vola 4 tapitrisa Ar norobain’ny jiolahy
Noraofin’ny olon-dratsy ny vola 4 tapitrisa Ar sy solosaina tao amin’ny toeram-pandoavam-bola ao amin’ny biraon’ny Jirama Toamasina, ny alin’ny alarobia 17 jona teo. Solosaina miisa 5 fampiasan’ny mpiasan’ny Jirama sy vola mitetina 4 tapitrisa Ar norobain’ny olon-dratsy, tao amin’ny birao fandoavam-bola, ao amin’ny foiben’ny Jirama Ampasimazava, Toamasina, afakomaly alina. Hiditra […]
Lafo ny fanafarana entana : Mampitondra faisana ny ady any Ukraine
Mampikaikaika ny mpandraharaha mpanafatra entana ny fidangan’ny saran’izany, ankehitriny. Anisan’ny mampitondra faisana ny ady lavareny any Ukraine. Mitarazoka ny fivezivezen’ny sambo ao amin’ny ranomasina mainty. Mikorontana ny fahatongavan’ny entana aty Afrika sy Madagasikara. Nilaza ny loharanom-baovao fa miteraka fatiantoka lehibe ny filalaovan’ny Okrenianina, tarihin’ny Zelensky, ny ady. Paikady iray entiny […]
Fikasihan-tanana vadintany : Hatolotra ny fitsarana ilay nahavanon-doza
Tsotra fa hentitra ny tenin’ny filoha nasionalin’ny Holafitry ny vadintany eto Madagasikara, ny maître Rarivoarivony Andriatafaniaina, fantatry ny maro amin’ny solonan’anarana “Maître Tafa” nandritra ny fambolen-kazo tetsy amin’ny tokontany malalaky ny Lycée Jacques Rabemananjara, ny talata 16 jona lasa teo. Fotoana nanamarihana ny faha-19 taonan’ny vadintany maneran-tany ihany koa. “Raha […]





