Tokony ho efa hivoaka anio ny anaran’izay ho Praiminisitra faharoa amin’ity fitondran’ny Fanavaozana ny Repoblika ity. 48 ora no heno fa hanoloana an-dRajaonarivelo Herintsalama, asa izay ho fahamarinany ? Misy koa anefa ny vaovao niely fa 10 andro no handaminana ny zava-drehetra. Samy miandry am-pitoniana, araka izany. Samy manana, […]
Taratra
Fitantanana raharaham-panjakana : Mitaky fandraisana andraikitra haingana ny filoha Ravalomanana Marc
Miantso sy mitaky ny handraisana andraikitra malaky manoloana ny fahabangan-toerana eto amin’ny firenena sy ny renivohitra ny eo anivon’ny antoko Tim. Nifamory teny Faravohitra izy ireo, omaly. Anisan’ny niatrika izany ireo solombavambahoaka sy ny mpanolotsain’ny tanànan’Antananarivo ary koa ny birao politikan’ny antoko. Nambaran’ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc, fa tsy […]
TSELATRA
Olona telo voasambotry ny polisim-pirenena avy amin’ny CSP 3 Antaninandro nanomboka ny 8, 9 ary 10 marsa lasa teo. Voarohohorohy tamin’ny resaka halatra izy ireo. Voasambotra tao Mahavoky, nandritra ny fisafoana nataon’ny polisy, ny alin’ny 08 marsa 2026, lasa teo ny iray. Tratra nangalatra moto teny Mahavoky Besarety, ny 09 […]
Naiditra am-ponja : Vehivavy 32 taona nisoloky 136 tapitrisa Ar
Notazomina vonjimaika eny amin’ny fonjaben’Antanimora, afakomaly 10 marsa 2026 lasa teo, ny vehivavy iray 32 taona. Taorian’ny fampiakarana fampanoavana azy teny anivon’ny fitsarana Anosy, afakomaly ihany. Voarohirohy tamin’ny resaka fisolokiana vola sy fisandohana andraikitra ary ny filazana fa afaka mampiditra olona ho mpiasam-panjakana eo anivon’ny minisiteran’ny Toekarena syn y vola […]
Mpatory an-dalana : Lehilahy iray hita faty tetsy Anosy
Nahitana fatin-dehilahy iray manodidina ny 40 indray tetsy Anosy, anelanelan’ny fivarotana voninkazo sy ny lalamby, omaly tamin’ny 6ora maraina. Mpivarotra vao maraina no nahita olona natory ary efa tsy misy aina intsony, ka nampandre ny tomponandraikitra. Raha ny fitantaran’ny olona teny amin’ny manodidina, heverina ho olona tsy manana trano hitoerana […]




