Mitohy foana ny tolo-tanana ho an’i Mika. “Aza avela hatory”, hoy ny fanentanana. Efa natomboka ary misy isan’andro. Anjaran’i Jimi Harisson indray ny manafana ny anio, eny amin’ny Mlam Manakambahiny, manomboka amin’ny 7 ora hariva. Hitohy ny zoma, etsy amin’ny La City Ivandry izany, miaraka amin-dry ‘Zay, Samöela, Rah-Ckiki, Tovo […]
Taratra
“Bonne année Rock 2024”: hanomboka ny fiarahana ry Kiaka sy Green
Tarika roa samy manana ny hanitra ho azy. Natambatry ny fivoizana sy ny fankafizana ny Rock kosa anefa, ka miara-dalana eny hatrany ny tarika Kiaka sy ny tarika Green. Hihamafy izany fifankatiavana izany amin’ity taona 2024 ity, satria fantatra fa hisy tetikasa maro ho an’ny mozika rock, ato ho ato. […]
Fianarantsoa : nahazo teoram-piasana ny Akademia Malagasy
Notanterahina afakomaly ny fivorian’ny Akademia Malagasy, sampana Fianarantsoa. Notokanana nandritra izany ny efitrano izay ho foibe fiasany. Ao amin’ny Trano famakiam-boky Tsianolondroa no misy ny birao. Fanomezana avy amin’ny kaominina Fianarantsoa Renivohitra ity efitrano ity. Antenaina hampivoatra sy hampiroborobo ny Akademia Malagasy ao Matsiatra Ambony, araka izany, ny fisian’ny birao […]
FIBD any Angoulême : Handray anjara i Dwa sy i Catmouse ary i Heri Shinato
Ambohipihaonan’ny mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny fanaovana tantara an-tsary maneran-tany ny ao Angoulême, manomboka anio. Anisan’ny manana solontena hiatrika izany ny Malagasy. Tanterahina manomboka anio hatramin’ny 28 janoary 2024, ao Angoulême, Frantsa, ny « Festival international de la bande dessinée d’Angoulême » (FIBD), andiany faha-51. Hetsika anisan’ny lehibe indrindra ho an’ny eo amin’ny […]
Aretin’ny taovam-pisefoana: maro ireo zaza latsaky ny telo volana miditra hopitaly
Mirongatra ny aretin’ny taovam-pisefoana eo amin’ny zaza, raha ny zava-misy eny anivon’ny hopitalin-jazakely sy eny amin’ny tobim-pahasalamana tsy miankina nanaovana fanadihadiana. Mahazo vahana indray, indrindra ny otrikaretina antsoina hoe “bronchiolite”. Isan-taona sy amin’ny andro fahavaratra, manodidina ny 10 isan’andro eo ny zaza entina manatona toeram-pitsaboana. Ankehitriny, tafakatra avo sasaka izany […]




