Taratra

Fanafihan-dahalo: lelilahy iray voatifitra, olona telo takalonaina

Maty tsy tra-drano notifirin’ny dahalo nitam-piadiana ny raim-pianakaviana iray tao Antanetibe, fokontany Andro­va Atsimo, kaominina Talata Angavo, distrikan’Ankazobe, ny alin’ny talata 24 janoary teo. Niakatra tao an-tanàna ny dahalo maherin’ny 20 lahy. Nirongo basy mahery vaika sy antsy izy ireo. Tsy nisy alaharo, nanapoaka basy sy nampitahotra ireo tokantrano lasibatra […]

Fisolokiana : lehilahy iray naiditra am-ponja

Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’i Maroantsetra, afakomaly, ny lehilahy iray malaza ratsy amin’ny fisolokiana avolenta. Maro ny fitarainana voarain’ny polisy ao an-toerana amin’ny afitsok’ity jiolahy mpisoloky ity. Nandray fepetra avy hatrany ny polisy ka nanao ny fanaraha-maso azy. Voamarina tokoa ny fisian’io jiolahy io. Nanao ny vela-pandrika hahafahana […]

Mpianaka voafaokan’ny moto : zazamenavava maty tsy tra-drano

Mandalo dia maka rafahafatesana! Zazakely vao teraka tapa-bolana no maty voadonan’ny moto, omaly. Voafaoka niaraka tamin’ny vehivavy nitaiza azy izy. Latsa-dranomaso avokoa ireo nahita ireto mpianaka nodomin’ny moto iray tao Ambohidrano, Antsirabe I, omaly tolakandro. Maty tsy tra-drano noho ny dona mafy nahazo azy teny an-trotroan’ny renim-pianakaviana nitondra ilay zazalahikely […]

“Can 2024”: ratsy toerana i Côte d’Ivoire

Niteraka resabe teo amin’ny tontolon’ny baolina kitra maneran-tany ny faharesen’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, mpampiantrano, tamin’ny isa mavesatra 4 no ho 0, nanoloana ny Nzalang National, Guinée Equatoriale, teo amin’ny andro fahatelo hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny ekipam-pirenena (Can 2024). Fihaonana notanterahina tao amin’ny kianja Alassane Ouattara, ny alatsinainy […]

Fankalazana ny faha-5 taona : manomana seho maro eto sy any ivelany ny Reko

“Reko Tour 2024”. Io no hampisalorana ny fitetezam-paritra sy firenena hataon’ny tarika Reko amin’ity taona ity. Anatin’ny fanamarihana ny faha-5 taona nisian’ny tarika, izay efa natombony tamin’ny fampisehoana tetsy amin’ny CCEsca Antanimena, ny volana desambra lasa teo, io. “Hivaly ilay fangatahanareo hoe mba tongava aty aminay. Efa tsy andrinay ny […]