Taratra

«Telma Coupe 2023» : ho fantatra anio izay hanao famaranana

Hotanterahina anio, eny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus, ny lalao manasa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Ma­da­gasikara “Telma Coupe 2023”, taranja baolina kitra. Araka ny vaovao voaray, ny ekipan’ny AS Fanalamanga Toamasina no hihaona amin’ny CFFA Andoharanofotsy ary ny Disciples FC Vakinankaratra hifanandrina amin’ny Elgeco Plus Ana­la­man­ga. Raha hiverenana ny ampahefa-dalana nataon’izy ireo. […]

CUA : tsy azo leferina ny fahalotoan’ny tsena

Nanao fampahatsiahivana ny kaominina Antananarivo Renivohitra mahakasika ny fahadiovan’ireo mpivarotra sy ny toerana ivarotany, araka ny voarakitra ao anatin’ny fehezam-pitsipika momba ny fikoloam-pahasalamana. Mila manaraka ireo fenitra napetraka ny mpivarotra. Voa­rara ny varotra rehetra ivelan’ ny tsena. Ireo tsena rehetra tsy maintsy anaovana fanadiovana faobe matetika, isorohana ny otrikaretina ary […]

Sekolim-panjakana : tsy ampy 2 tapitrisa ny dabilio

Nilaza ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle, fa tsy ampy 2 tapitrisa ny isan’ny dabilio ho an’ny zana-bahoaka any amin’ireo sekolim-panjakana manerana ny Nosy. Tafiditra amin’izany ny EPP sy ny CEG ary ny Lycée. Manaporofo izany ny mbola ahitana sekoly mipetraka amin’ny tany mihitsy aza any ambanivohitra. Ny ankizy […]