Maty voatifitra, nandritra ny fanarahan-dia, ny zandary lietnà iray, omaly, tao Marofototra, Maevatanana. Lavon’ny balan’ny jiolahy koa ny sivily iray niaraka taminy. Namoy ny ainy vokatry ny fifandonana tamin’ny dahalo ny zandary, lefitry ny Kaomandin’ny Vondron-tobim-paritra ao Maevatanana, omaly. Nanafika tao amin’ny tanànan’i Sarodrano, fokontany Marofototra, kaominina Maevatanana II, ny […]
Taratra
Vary simba : naato ny fanenjehana ireo mpandraharaha
Nisy fivoriana nataon’ny fiombonan’ny mpitandro filaminana sy ny tomponandraikitra isan-tsokajiny ao Toamasina, notarihin’ny prefet, ny 15 janoary, mahakasika ilay raharaha vary simba. Nanatrika tao koa ireo teratany vahiny, mpanafatra entana ilaina andavanandro (PPN) avy any ivelany, izay saika izy ireo no tena maro, 90%, miampy Malagasy mpandraharaha. Nampahatsiahivin’ny tonian’ny fampanoavana […]
VAOVAO TAMBATRA
Vita omaly, ny fanamboarana ny fantson-drano lehibe eny Mandroseza. Miverina amin’ny laoniny tsikelikely, araka izany, ny famatsian-drano any amin’ireo toerana nisian’ny fahatapahana. Mampahatsiahy ny Jirama fa misy fiovany ny lokon’ny rano aorian’ny fahatapahana toy izao, ka tokony halefa elaela ny paompin-drano aloha. Nohamafisina ny fiaraha-miasan’ny Sampandraharahan’ny ladoany eny amin’ny seranan’Ivato […]
RN1-Antanetimboahangy: miverina ny fifamoivoizana
Nihotsaka vokatry ny orambe ny tany nitaty ilay tetezana vonjimaika (pont modulaire), eo amin’ny PK 104+800 any amin’ny lalam-pirenena RN1, napetraka tany Antanetimboahangy Analavory, ny herinandro lasa teo. Tsy niandry ela, nidina tany an-toerana avy hatrany ny ekipan’ny Vonjitaitra (DAU) ao minisiteran’ny Asa vaventy, ny sabotsy 20 janoary teo. Nohamafisina […]
Tetikasa « Ankohonana miarina »: natomboka any Itasy ny fizarana tany hamokarana
Nitondra vahaolana, hamahana mivantana ny fahantrana eny ifotony ny filoha Rajoelina. Napetraka ny tetikasa “Ankohonana miarina” hananganana tanàna vaovao, hanomezana tany sy trano, kojakojam-pambolena, biby fiompy. Nosantarin’ny filoha Rajoelina tany amin’ny faritra Itasy ny tetikasa «Ankohonana miarina». Nambarany fa «mahantra ny Malagasy kanefa hitako mavitrika, ka mendrika tohanana». Mirefy 53 […]




