Hitohy ao anatin’ny efatra andro ny rotsakorana matevina any amin’ny faritr’i Diana sy Sofia, raha ny vinan’ny mpamantatra ny toetry ny andro, etsy Ampandrianomby. Ankoatra ny sisan-drahona tamin’ilay oram-baratra dia matanjaka ihany koa ny talio sy ny Zone de convergence inter-tropicale (ZCIT) any amin’iny ilany avaratra andrefana iny. Mila mitandrina […]
Taratra
Antananarivo Renivohitra : avotana anaty rano miandrona ny mponina
Andro aman’alina ny farimbon’asa atao eny amin’ny faritra iva amin’ny fanalana ny rano miandrona vokatry ny rotsakorana. Mifanome tanana ny herivelona rehetra manao izany. Teny Ilanivato sy Ampasika ary Andavamamba Ambilanibe indray ireo ekipa mpanadio lakandrano no niasa ny faran’ny herinandro lasa teo. Nanala ny rano niandrona mampijaly ny mponina […]
Kitra – “Can 2024”: tafita amin’ny ampahavalon- dalana i Sénégal sy i Cap-Vert
Ekipa roa voalohany efa nahazo ny tapakila hiatrehina ny dingana ampahavalon-dalana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny ekipam-pirenena, taranja baolina kitra (CAN 2024), i Sénégal sy i Cap Vert. Fihaonana tanterahina any Côte d’Ivoire. Samy manana isa 6 avy ireo ekipa roa ireo, taorian’ny lalao roa tontosany, izany […]
Randresiarivony Anjaratiana : efa tompondakan’i Eoropa intelo, taranja Pancrace
Tsy ny taranja Jiu-Jitsu ihany no iangalian-dRandresiarivony Anjaratiana, Malagasy mpikatroka, mila ravinahitra any Eoropa. Manan-talenta amin’ny haiady hafa ihany koa izy, toy ny Pancrace, araka ny resaka nifanaovana taminy, amin’izao fandalovany eto Madagasikara izao. Namiratra tokoa izy satria efa intelo no nahazo ny medaly volamena tao Eoropa, tamin’ny “Open de […]
DAKA AN-JORONY: mendrika ho alain-tahaka
Sambany, hoy ireo rehetra nanatrika ny famaranana ny fiadiana ny «Grand Tournoi d’Antananarivo», taranja baolina kitra no nahitana volabe avy hatrany dia natolotra ny mpandresy. Tena mendri-piderana tokoa ny zava-bitan’ny ligin’ Analamanga, nanatanteraka izany. Tsy teo amin’ny fanatontosana ilay fifaninanana ihany fa ny herim-po nanomezana loka goavana ho an’ny mpandresy […]




