Taratra

Antehiroka : lehilahy iray hita faty tao anaty tanimbary

Nahitana fatin-dehilahy iray tao an-tanimbary anatin’ny fokontany Ankadivory, kaominina ambanivohitra Antehi­roka, distrikan’Ambohi­dra­tri­mo, omaly maraina. Nam­pandre ny vaovao tany amin’ny polisy miasa eny an-toerana avy hatrany ny sefo fokontany, fa misy lehilahy iray tsy nisy aina intsony, natsingevan’ny rano teny amin’io an-tanimbary io. Nidina nijery ny zava-nisy avy hatrany ny polisy, […]

Mahamasina : tovolahy maty notrongisin’ny taxi-be

Ninia nohitsahina! Tapi­tra ny ain’ny lehilahy iray nitondra moto no­trongisin’ny mpamily taxi-be 154, afakomaly alina. Nien­daka ny hoditra, rovitry ny arabe ny ilam-batan’ny mpitondra moto iray tetsy amin’ny “Bazar de quartier”  Maha­masina, ny harivan’ny sabotsy 20 janoary teo. Notaritaritin’ ilay taxi-be niala 200 metatra ny toerana nijanonany io lehilahy io. […]

INDRAY MIJERY

Nanaovan’ny Filoham-pirenena tsindrim-peo ny mahakasika ny fanatsarana ny fotodrafitrasa ianaran’ny zaza malagasy. Hitohy, araka izany, ny fananganana ireo fotodrafitrasa mendrika sy manara-penitra manerana ny Nosy, satria manan-jo hianatra amin’ny sekoly moderina sy ampy fitaovana ny mpianatra. Irosoana maika ny fanitarana ny haratonaina ara-tsosialy amin’ireo tokantrano tena sahirana, hoy hatrany ny […]

Fiofanana Call Center : 200 ireo tanora hisitraka ny andiany voalohany

Misokatra ho an’ny tanora tsy ankanavaka manerana ny Nosy ny fiofanana omen’ny fan­jakana mikasika ny Call Center izay asa miroborobo tan­teraka eto Madagasi­ka­ra. Mi­kasika ny fomba fitantanana ny fifandraisana amin’ny mpanjifa amin’ny alalan’ny antso an-tariby no hiompa­nan’ny fiofanana. 200 ireo tanora kendrena hisitraka izany fiofanana izany amin’ity andiany voalohany ity, araka […]