Taratra

MJS : hanangana akademia avo lenta

Mitohy hatrany ny fanatsarana eo anivon’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS). Taorian’ny fanendrena ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta, namoaka ny laharam-pahamehany ny MJS. Voalaza nandritra ny filankevitry ny minisitra voalohany, afakomaly, voaporofo fa mampamiratra an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fanatanjahantena. Noho izany, Tsy maintsy hatsangana, ny Akademiam-pirenena […]

Lalao Echecs-Afrika faritra 4.4 : voatazon-dRakotomaharo Fy ny anaram-boninahitra

Nifarana omaly, teny amin’ny Hôtel Destiny Ambohimangakely, ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, Zone 4.4, taran ja Échecs. Voatazon-dRakotomaharo Fy ny anaram-boninahitra. Nizotra araka ny tokony ho izy ny fifaninanana nandritra ny 7 andro. Mpi­faninana 34 avy amin’ny firenena afrikanina 7 no tonga teto Madagasikara. Teo amin’ny sokajy lehilahy, voahosotra ho […]

Andoharanofotsy : tratra ilay rangahy nandoro ny vadiny

Tazonina hanaovana famotorana, nanomboka afakomaly, ao amin’ny biraon’ny polisy, kaomisaria foibe Atsimondrano, ilay rangahy nandoro ny vadiny tao an-tranony, eny Mahabo Andoharanofotsy. Ny alin’ny faran’ny taona 2023, nisy trano may teny Mahabo Andoharanofotsy. May tao anatin’io trano io ny ramatoa lehibe iray. Novonjen’ny fokonolona izy ka nentina haingana tao amin’ny […]

Andranomiely Ankazobe : mitsoa-ponenana ny mpiasam-panjakana

Tahotra noho ny asan-da­halo! Nitsoa-ponenana ny mpi­asam-panjakana tao amin’ ny kaominina Andra­nomiely, distrikan’Ankazobe, taorian’ny namonoan’ny dahalo ny ben’ny Tanàna. Nahatsiaro tena ho mandry tsy lavo loha ireo mpampianatra sy dokotera miasa ao an-toerana ka samy nandao ny toeram-piasany avokoa. Etsy ankilany, miteraka fahasahiranana ho an’ireo mponina izany toe-javamisy izany. Nanatontosa […]

Carion : tratra ny jiolahy mpangalatra lalamby

Saron’ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Carion, omaly, ny jiolahy mpangalatra vy amin’ny lalamby. Nisy olona nahatsikaritra ity jiolahy ity mitondra jiro mivezivezy eo amin’ny tetezan’Andriakely ary misy fiara iray mijanona eo afovoan-dalana. Nampiahiahy ireo fokonolona teo an-tanàna izany ka nampandre ny zandary avy hatrany izy ireo. Nidina haingana teny […]