Tapaky ny Fikambanan’ny zanaky ny faritanin’i Fianarantsoa (Fizafafi) fa tsy ho filoha mpitantana izany intsony ny filoha mpanorina, Razanamahasoa Christine. Ny filoha lefitra enina avy amin’ny faritra mandrafitra ny faritanin’i Fianarantsoa no mitondra ny fikambanana mandra-pahatapitry ny fe-potoam-piasan’izy ireo, araka ny sata mifehy ny fikambanana. Niverina ny fandaharana “Tsy ho […]
Taratra
Todisoa Andriamampandry : « Mitohy ao anatin’ny ara-dalàna ny tolona »
Naneho ny heviny mahakasika ny raharaham-pirenena ankehitriny ny solombavambahoaka, Andriamampandry Todisoa, voafidy tamin’ny anaran’ ny antoko Tiako i Madagasikara. Nasongadiny tamin’izany ny fanentanana ny olona handray ny andraikiny sy hanatanteraka ny adidiny, indrindra amin’ny fandraisana anjara amin’ny fifidianana. Nanambara ihany koa izy, ny mahakasika ny tolon’ny vondron’ny kandidà (C11), fa […]
Kilalao maloto
Madagasikara tsy maintsy mandroso ! Mipoapoaka ny teny filamatra hitondran’ny fanjakana ny raharaham-pirenena. Mahavelombolo ny mihaino azy. Mamoha fanantenana efa mitsipozipozy noho ny hamafin’ny fiainana. Manentanentana, hitady hevitra mafonja mba ho fandraisana ny anjara biriky mifanandrify amin’ny tsirairay avy. Miara-mijery miabo hatrany na inona na inona zava-miseho. Tsy azo atao […]
KMF/Cnoe : “Tokony ho mpiasam-panjakana ny PDS”
Tapitra ny fe-potoam-piasan’ny ben’ny Tanàna. Maneho ny heviny momba ireo tokony hotendrena ho PDS ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe, i Namearison Robert. “Raha ny marina, tokony ho mpiasam-panjakana ny PDS”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert, ny amin’ny fanendrena Filohana delegasiona manokana (PDS) noho ny […]
TSELATRA
Olona dimy nidoboka am-ponja noho ny halatra tany tao Marotazana, fokontany Voninahitrinitany, kaominina Marondy, distrikan’Ankazobe, afakomaly. Voasaringotra tamin’izany ny olona miisa valo mianadahy. Nanamboaran’izy ireo karatany antsokosoko ny tany iray efa manan-tompo. Naiditra am-ponja avy hatrany ny dimy tamin’ireo voasambotra. Mpivady niara-niasa miambina tanàna sy manadio trano tratra nangalatra tao […]




