Nodimandry i Ngah Matoa. Mpiangaly ny rap gasy, Rakotondrabe Andriantsoa Tolotra, fantatra eo amin’ny tontolo amin’ny anarana hoe Ngah Matoa na Ngam. Mpanao tononkira masiaka sy mivantambatana izay no tena hitiavan’ny mpankafy rap azy. Efa betsaka ny seho nandraisany anjara, na ny “ambany gorodona” na ny goavana kokoa. Piment Café […]
Taratra
Misaona indray ny Hiragasy: nodimandry Radona, Ramilison Besigara
Lasa namonjy an-dRamilison rainy, Zeze zokiny ary i Perline anabaviny ihany koa Radona. Nodimandry teo amin’ny faha-55 taonany Rafalison Joachin, fantatra eo amin’ny tontolon’ny hiragasy amin’ny hoe Radona. Toa ny vara-datsaka ny nahenoana ny vaovao ny alin’ny alarobia teo, ka nisesy ny fampaherezana ny fianakaviana sy ny tropy, ny fanomezam-boninahitra […]
Ambohidratrimo Marovatana: hamerina sy hanandratra ny kolontsaina fanorona
Ho tanterahina ny 10 sy 11 febroary ho avy izao “Festival Fanorona Marovatana”. Eo am-pamaranana ny fikarakarana ny tomponandraikitra, ankehitriny. Raikitra izany! Handray ny “Festival Fanorona Marovatana” ny eny amin’ny kaominina Ambohidratrimo. Haharitra roa andro ny hetsika, karakarain’ny eo anivon’ny Vovonana Nasionalin’ny Fanorona Malagasy. Miara-misalahy amin’ny fanatontosana izany i Zama […]
Galerie Vellutini Isoraka: mandravaka ny toerana ny ranty hosodoko
Tanterahina eny amin’ny Galerie Vellutini Isoraka, ny fampirantiana hosodoko, iarahana amin’ny mpahay kanto mpanao hosodoko maro. Am-polony izy ireo no mandranty ny asa tanany sy ny haikantony eny an-toerana. Tanjona amin’izao hetsika izao ny hifampizara eo amin’ny mpankafy hosodoko sy ireo mpahay kanto, ny fanomezana sehatra ireo mpahay kanto, indrindra […]
Fahatsiarovana an’i Madame ZO: handray anjara ny Compagnie Tahala
Anisan’ny handray anjara amin’ny hetsika fampahafantarana ny katalaogy mirakitra ny haikanton’i Madame Zo, eny amin’ny Fondation H Ambatomena, ny Compagnie Tahala de Tamatave. Hetsika izay hatao ny sabotsy 20 janoary 2024. «Mpihaza Rivotra » no anarana nampitondrain’izy ireo ity soradihy ho ataon’izy ireo ity. Dinampitia Zoe no namorona sy namolavola ity soradihy […]




