Malaina mandoa hetra ny vahoaka malagasy amin’ny ankapobeny, raha ny fanadihadiana natao. Mbola mila ezaka mafy ny fanentanana ny rehetra hanao izany. Ezaka ataon’ny kaominina maro ny fidinana eny ifotony, mitety fokontany, mba hanentanana ny olona mahakasika izany. Efa nisy ihany koa ny ezaka nataon’ny Foibem-pitantanana ankapoben’ny hetra manoloana izany. […]
Taratra
FANTINA sy FINTINA
Anisan’ny didim-panjakana noraisina nandritra ny filan-kevitry ny minisitra, ny Alarobia teo, ny didim-panjakana manafoana ny fanendrena ny governoran’ny faritra Analanjirofo, ny Dr Randriamanantena Marcelin, sy ny an’ny faritra Melaky, Ratsitohara Patrick, ary ny an’ny faritra Atsimo Atsinanana, ny Dr Mahafaky Justin. Noraisin’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine, teny amin’ny Lapan’ny Antenimierampirenena […]
Rakotoniaina Pety : “Tsy fitadiavan-tseza ny fanohanana ny filoha”
Governemanta teknisianina ny governemanta vaovao amin’izao fe-potoam-piasana faharoan’ny fitondran’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, izao. Izay, ohatra, no tsy isian’ny olom-boafidy toy ny solombavambahoaka ho mpikamban’ny governemanta. Toy izany koa no tsy nisian’ny mpanao politika na mpitarika antoko politika izay nanohana azy tamin’ny fifidianana. “Tsy fitadiavan-tseza no nanohanana ny filoha Rajoelina”, […]
An-tampon’ny samy reraka !
Mampihoron-koditra ny vaovao miely etsy sy eroa, indrindra mahakasika ny fiainana andavanandron-dRamalagasy. Tena mampiteny ny tsy afa-miteny ny zava-misy, manerana ny Nosy. Sanatrian’ny vava mamendrofendro fa sintonina ihany ny lakolosy mba hitandreman’ny rehetra. Mety sarotra hinoana, fa tena efa mivaralila, mirona any amin’ny fomba ratsy mamohehatra ny olona. Mahazo vahana […]
Filoha Rajoelina Andry : « Laharam-pahamehana ny fanenana ny fahantrana »
Ady amin’ny fahantrana sy ny fampiakarana ny fahefa-mividin’ny Malagasy no tena laharam-pahamehana amin’ity fe-potoam-piasana faharoa ity, ho an’ny fitondram-panjakana malagasy. Efa nanome ny toromarika mahakasika izany ho an’ny minisitra isan-tsokajiny ny Filohan’ny Repoblika ho fanatrarana ny tanjona. Tontosa afakomaly alina, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny filankevitry ny minisitra voalohany. Nitarika […]




