Mitaky ny hampiharana ny sazy henjana amin’ireo mpanondrana ny harena voajanahary ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy (Medd). Tsy handefitra amin’ireo minia mandika lalàna ny fitondram-panjakana. «Tsy misy fandeferana ho an’ireo rehetra tafiditra anatin’ny fanararaotana ny harem-pirenena», hoy ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy, […]
Taratra
VAOVAO TAMBATRA
Ho tonga ao Toamasina, ny 31 desambra sy ny 01 janoary, ny sambo lehibe “Peaceboat voyages”. Mpandeha miisa 1 800 no hitsidika ireo toerana mampiavaka ny faritra, anisan’izany ny valan-javaboahary ao Ivoloina sy ny toerana mahafinaritra ao Tapakala. Hanavao ny tahirin-kevitra ananany ny orinasa Jirama mba hahafahany mandefa ny faktiora […]
Valan-javaboahary Ranomafana: May ny velaran-tany manodidina ny 20 ha
Nitrangana fahamaizana goavana tao amin’ny valan-javaboahary (Parc national) Ranomafana, teo amin’ny 3 km atsimo atsinanan’ny tanàn’Ambohitanimena, kaominina Ambalakindresy, distrika Ifanadina. Manodidina ny 20 ha eo ny velaran-tany may, tranga niseho nanomboka ny 26 desambra teo. Tsy fanta-piaviana ny afo saingy nifarimbona namono izany ireo miaramila miisa sivy avy ao amin’ny Détachements […]
Seranana Ivato : Enin-dahy naiditra am-ponja
Mpandika lalàna eny amin’ ny seranam-piaramanidina Ivato, enina mirahalahy naiditra am-ponja taorian’ny fampanoavana, ny zoma 27 desambra teo. Mibatabata entan’ireo mpandeha eny an-toerana ireto vatan-dehilahy ireto. Tsy vitan’ny maka an-keriny sy tsy misy fierana amin’ ny tompon’entana, simba noho ny tsy fitandreman’ireo lehilahy ireo ny ankamaroan’ny zava-tsarobidy anatin’ny valizy sy […]
Nalaina an-keriny : Zaza 4 taona hita faty
Vatana mangatsiaka an’ilay zaza efa tsy nisy aina intsony, hitan’ny fokonolona tao Beharefo, kaominina Mandrosonoro, distrikan’Ambatofinandrahana, omaly. Nitrangana fakana an-keriny tao amina tanàna iray 5 km miala an’io toerana io, ny alin’ny zoma 27 desambra teo tamin’ny 7 ora sy sasany. Nalain’ny mpaka an-keriny ho takalonaina ny zaza vao efatra […]