Taratra

Nandrasana kendry tohina : Iray maty, fito naratran’ny 70 lahy nanafika tanàna

Zava-doza indray no nafitsoky ny olon-dratsy, omaly maraina, tao Beadabo, Mahabo. Olona iray namoy ny ainy, fito naratra vokatry ny fanafihana nataon’ny jiolahy miisa 70. Notafihan’ny jiolahy ma­nodidina ny 70 ny fo­kontany Beadabo, kaominina ambanivohitra Maha­bo, distrikan’i Betroka, omaly maraina, tokony ho tamin’ny 2 ora tany ho any. Efa niandry […]

Taranja Basket Ball : Sambany hisy “Élite U23” eto Madagasikara

Teo amin’ny tantaran’ny basikety malagasy, sambany ny fisian’ny fifaninanana natokana ho an’ny sokajy latsaky ny 23 taona, toy ity karakarain’ny ligin’Analamanga ity. Fifaninanana nanomboka ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja mitafon’­ An­korondrano ary hatao isaky ny faran’ny herinandro, mandritra ny 8 volana. Ekipa 10 eo amin’ny sokajy lehilahy sy […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina anio, ao amin’ny Kianja Santiago Bernabeu, Espagne, ny fifanandrinan’ny Manchester City, anglisy sy ny ekipan’ny Real Madrid, klioba espaniola. Fihaonana izay tafiditra amin’ny lalao mandroson’ny ampahavalon-dalan’ny “Ligue des Champions 2026”. Mbola manala vela amin’ity fihaoanana ity moa ny Real Madrid. Hiatrika fifaninanana any Genève indray ny Malagasy mpilalao tsipy […]

Rugby – “XXL Top 12” : Hangotraka ny lalaon’ny FTM sy CEA

Hiditra amin’ny andro fahafito ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, “XXL Top 12”, ny alahady ho avy izao. Fihaonana hotanterahina etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka. Hanamarika izany ny fihaonan’ny FTM Manjakaray sy ny CEA Andranomanalina. Hangotraka sy hanana ny lanjany manokana io lalao io satria hamaritra ny mety […]

Barean’i Madagasikara : Raikitra ny fampivondronana ny mpilalao

Fantatra omaly fa efa nalefa any amin’ny mpilalao tsirairay avy ny taratasy fampiantsoana azy ireo amin’ny fanatevenana ny ekipam-pirenena Barea. Hiatrika ny lalao ara-pirahalahiana izy ireo amin’ity volana ity. Araka ny filazan’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, dia efa nahazo ny taratasy fampiantsoana azy avokoa […]