Taratra

Malagasy mpianatra any Rosia: mitaraina fa tsy nahazo vatsim-pianarana

Niombom-peo indray ireo Malagasy mpianatra any Rosia fa mijaly amin’ny tsy fahazoana vatsim-pianarana 2 taona nisesy izao. Lany vatsy ary tapitra Visa ny sasany. Mila vonjy amin’ny fanjakana. Tsy mbola nisitraka ny vatsim-pianarana hatramin’ny taom-pianarana 2021-2022 sy 2022-2023 ireo mpianatra mandranto fianarana any Rosia. Zon’izy ireo feno ny misitraka ny […]

Mpianaka niara-maty: tokantrano iray notetezin’ny varatra

Notetezin’ny varatra ny tranon’izy eni-mianaka teny Lavahitsiny Anosiala, distrikan’ Ambohidratrimo, afakomaly alina. Namoy aina telo ny fianakaviana. Vehivavy mpianaka niara-maty izay bevohoka fito volana ny iray. Mafy ny manjo ny fianakaviana iray, monina eny Lavahitsiny, Kao­mi­nina Anosiala, distrik’Am­bohi­dratrimo. Maty nilatsaham-potaka ny renim-pianakaviana roa tao an-trano. Nindaosin’ny fahafatesana teo amin’ny faha-42 […]

VAOVAO TAMBATRA

Nilaza ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, ny alatsinainy 15 janoary teo, fa mikatsaka vokatra hita maso ny tenany… Te hanatona akaiky kokoa hijery ny olana sy hikaroka vahaolana eny an-kianja. Nandritra ny fiarahabana azy tafaverina hitazona ity minisitera ity indray no nilazany an’ireo. Nankatoavina, omaly, […]

Minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana : “Hotohizana ny asa efa natomboka”

Tontosa tetsy Andava­mamba, omaly, ny fifamindram-pitantanana teo amin’ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana, Randriaman­dranto Joël, sy ny minisitry ny Asa tanana sy ny haitao teo aloha, Ratsiraka Sophie. « Mifampiankina ny fizahantany sy ny asa tanana. Hoto­hizana sy hotanterahina ireo asa efa natomboka”, hoy ny minisitra. Hatao laharam-pa­hamehana ny […]

Minae : hiasa haingana ny minisitra R. Suzelin

Tontosa omaly, ny fifamindram-pahefana teo amin’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) vaovao, Ratohiarijaona Rakotoarisolo Suzelin, tamin’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, Ramilison Harifidy, sy ny minisitra lefitra misahana ny Fiompiana, ny Dr Raymond. Naneho ny fahavononany ny minisitra vaovao amin’ny hanohizana sy hanatrarana ireo tanjona maro napetraka, […]