Taratra

Vitsy ny entana sy ny mpanjifa : nihena ny henan’omby lafon’ny mpivarotra

Nahitam-piakarana 2000 – 3000 Ar mahery isan-ki­lao ny vidin’ny henan’omby eny anivon’ny tsena, raha ny fanazan’ny mpivarotra. Ma­­noloana izany, nihena ny hena lafon’ny mpivarotra ao anatin’ ny iray andro. No­ho ny fahavitsian’ ny mpanjifa sy ny henan’omby tonga eto Anta­na­­narivo. Manodidina ny 19 000 hatramin’ny 22 000 Ar eo ny […]

FANTINA sy FINTINA

“Sarotra ny mieritreritra fa mbola tafaverina amin’ny toerany ny ankamaroan’ireo minisitra”, hoy ny filoha nasionalin’ny Otrikafo, Rabevahiny Elia. Misy amin’ireo minisitra vaovao no manana antontan-taratasy hafahafa. Misy amin’ireo kandidà ho filohan’ny Repoblika teo no fantatra fa nandefa antontan-taratasy momba azy mba ho minisitra, nefa tsy nisy voaray na iray aza. […]

Raholdina Naivo : “Manan-danja ny fianianan’ny minisitra”

“Manan-danja araka ny lalàna ny fianianana”, hoy ny filoha lefitry ny Antenimie­rampire­nena, farita­nin’Anta­nanarivo, Raholdina Naivo, ny amin’ny fianianan’ireo mpikamban’ny governemanta mialoha ny handraisan’izy ireo ny asany. Niteny ry zareo hoe vonona hiaina amin’ny lalàna. Rehefa niteny ny tena hoe sazina raha manao an’izao na izatsy. Raha tratra tokoa ny tena […]

Miantoka ny ho avy

  Miteraka resabe etsy sy eroa ny mahakasika ny fenendrena ilay tovolahy, vao 27 handray 28 taona, ho minisitry ny Tontolo iainana sy fampandrosoana lovain-jafy. Maro kokoa ny manana fijery miiba noho ireo matoky ny ho fahombiazany. Any anaty fiara fitateram-bahoaka, eny amin’ny tambajotran-tserasera dia samy manovokovoka avokoa, mitondra fanehoan-kevitra. […]

Andriantsitohaina Naina: “Ny vahoaka no tena hifantohantsika”

“Miara-miasa, miasa mafy sy haingana”, hoy ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, nandritra ny famindram-pahefana taminy. Laharam-pahamehana ny fanatanterahana ny fanambin’ny Filoham-pirenena. Nandray ny fahefana amin’ny maha minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany azy Andriantsitohaina Naina. Tontosa, omaly, teny amin’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy […]