Ny mpitondra no manjaka dia ny vahoaka. Ny vahoaka no antom-pisian’ny fitondram-panjakana, fa ho an’ny vahoaka izay ataony. Tokony hisy fiantraikany amin’ny fiainam-bahoaka izany. Tsy vitan’ny hoe mampindrana fahefana tamin’ny alalan’ny fifidianana fotsiny ny vahoaka, fa ananan’ny mpitondra tamberinan’andraikitra ihany koa ny fanatsarana ny fiainany sy ny fampandrosoana ny […]
Taratra
Mpikamban’ny governemanta : Miisa 12 ireo minisitra vaovao
Nampahafantarina omaly, teny Iavoloha, ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta, tarihin’ny praiminisitra, Ntsay Christian. Miisa 27 ireo minisitra amin’izany ka vaovao ny 12 amin’izy ireo. Anisan’ireo minisitra vaovao, ny misahana ny Foloalindahy, ny Jly Sahavelo Monja Delphin. Efa lehiben’ny etamazaoro, teo aloha. Hisahana ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, Rafaravavitafika Rasata. Minisitry ny Fitsinjaram-pahefana […]
TSELATRA
Raim-pianakaviana 45 taona maty voatsatotsatok’antsy tao amin’ny kaominina Ambodivoara, distrikan’i Sambava, ny sabotsy 13 janoary teo. Matetika manan-draharaha eny amin’ny fitsarana nateraky ny ady tany ity namoy ny ainy ity sy ilay olona nahavanon-doza. Niafara tamin’ny fifamonoana io olana io. Ankizy 13 taona nalain’ny mpaka an-keriny ka natakalo lelavola 1 200 000 […]
Vono olona : mpanangom-bokatra maty voakapa famaky
Voakapa famaky teo amin’ny lohany sady voarasa antsy ny mpandraharaha iray ka namoy ny ainy tao amin’ny fokontany Tsararano, kaominina Berivotra 5/5, distrikan’i Maevatanana, tamin’ny sabotsy 6 janoary lasa teo, tokony ho tamin’ny 7 ora maraina. Mpivarotra any ambanivohitra ity lasibatra ity. Niala ny trano fonenany, nitondra moto ilay lehilahy, […]
Sahamatevina Vatomandry : telo lahy matin’ny fitsaram-bahoaka
Nitrangana fitsaram-bahoaka indray tao Andasiben’ Antsampanana, omaly, ary maty tamin’ izany ny dahalo telo lahy izay avy any Mandoto, distrikan’ Antsirabe, sy Antananarivo, raha ny angom-baovao avy any Sahamatevina. Nandritra ny antso an-tariby nifanaovana tamin’ny ben’ny Tanànan’ i Sahamatevina, Radimby Voro Dénis, no nambarany fa andian-jiolahy maromaro izy ireo ary […]




