Taratra

Fimpima – Unesco : homarihina ny « Androm-pirenen’ny kabary »

« Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Minisite­ran’ny Serasera sy ny kolontsaina dia foana ny fankalazana iombonana amin’ny An­drom-pirenena ho an’ny kabary, araka izany, afaka manao fankalazana manokana ny fikambanana », hoy ny fampitam-baovaon’ny Fikamba­nan’ny mpikabary malagasy (Fimpima). Eo ambany fiahian’ny Vaomieram-pirenena ma­la­gasy ho an’ny Unesco. Eo ambany fitarihin’ny Fikam­ban’ny mpikabary malagasy, hotanterahina […]

Andriamananoro Augustin : minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina

Voatendry omaly, ho minisitra hisahana ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, Andriamananoro Augustin. Manam-pahaizana sy efa nisahana andraikitra ambony momba ny fifandraisan-davitra izy. Ho an’ny tontolon’ny kolontsaina sy ny zavakanto manokana, anisan’ny andraikitra lehibe miandry azy ny hanala ilay anara-maneso « Faralahin-jaza ». Na nisy aza ny ezaky ny teo aloha rehetra, […]

Tamboho Be : nofaranana ny fankalazana ny faha-20 taona

Sehatra lehibe roa no iasan’ny fikambanana « Tanora mbola hobeazina » na ny Tamboho Be. Ny Tontolon’ny kolontsaina sy ny sosialy. Nosalorana ireo endrika roa ireo ny lanonana nentina nankalazana ny faha-20 taona niorenan’ ity fikambanana ity. Nofaranana ny sabotsy 13 janoary teo ny hetsika fankalazana ny faha-20 taona niorenan’ny fikambanana « Tanora […]

Governemanta : Minisitra 15 voatazona

Mbola voatazona amin’ny toerany ny minisitry ny Fitsa­rana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana. Ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo. Ny minisitry ny Atitany, Tokely Justin. Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria, Razafindravahy Edgard. Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michèle. Hisahana ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa kosa, i […]

Rabemananjara Nicolas : nahazo « Commandeur de l’ordre national »

Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Villa An-fi Tv Plus, Ivanja Ambohitsoa, ny lanonana ara-panjakana, nanolorana ny mari-boninahi-pirenena «Com­man­deur de l’ordre national malagasy» ho an-dRabe­mananjara Nicolas, filoha mpanorina ny vondrona Tv plus Madagascar, no sady filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena misahana ny tapany atsimon’i Madagasikara. Ra­kotonarivo Donnatela, mpikambana eo anivon’ny […]