Anisan’ny minisitra mbola voatazona ao anatin’ny governemanta malagasy, ny minisitra Resampa André Haja, misahana ny tanora sy ny fanatanjahantena. Tsy niova fa voatendry fanindroany indray hisahana ny minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahantena, Resampa André Haja, araka ny fanendrena natao teny amin’ny Lapan’Iavoloha, omaly 14 janoary. Mbola nametraka fitokisana taminy ny […]
Taratra
Sombim-baovao
Notanterahina nanomboka ny sabotsy lasa teo ny fiadiana ny amboaran’i Afrika (Can), taranja baolina kitra, tanterahina any Côte d’Ivoire. Andriatianarivelo Dimbiniaina no Malagasy iray nosafidin’ny Caf ho anisan’ireo mpitsara, mandritra ity fifanintsanana ity. Tsiahivina fa hifarana ny 11 febroary ho avy izao ny “Can 2023”. Taorian’izay dimy volana tsy niakarana […]
Atletisma – Cross country : ho any Chili i Jean-Claude
Tontosa ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny bout de piste Ivato, ny hazakazaka cross country, nifantenana izay hisolo tena an’i Madagasikara, amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany 2024. Nandrombaka ny fandresena Rakotonirina Jean-claude, atleta avy amin’ny Crown Vakinankaratra, rehefa nahatontosa ny hazakazaka tao anatin’ny fe-potoana, 33 mn 09 s 3%. […]
« Grand Tournoi d’Antananarivo »: norombahin’ny Disciples FC ny lelavola 20 tapitrisa Ar
Nifarana ny alahady lasa teo, teny amin’ny Kianjan’ny Elgeco Plus, ny fifaninanana “Grand Tournoi d’Antananarivo (GTA)”. Nalain’ny Disciples FC Vakinankaratra ny volabe. Notanterahina omaly, teny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus By Pass, ny lalao famaranana, fifaninanana “Grand Tournoi d’Antananarivo (GTA)”, taranja baolina kitra. Azon’ny Disciples FC Vakinankaratra « PFL », ny lelavola 20 […]
TARATRY ny KANTO
Tanterahina eny amin’ny Fondation H Ambatomena, ny 20 janoary 2024, ny famoahana sy fampahafantarana ny katalaogin’i Madame Zo, novokarin’ny Fondation H. Hisy ny famelabelaran-kevitra maro iarahana amin’ny malagasy sy ny vahiny mpahay kanto. Eo koa ny fampisehoana ara-javakanto handravahana izany. Handray anjara amin’ny « IFFR festival de Rotterdam », atao ny 25 […]




