Taratra

Coach Rôrô : nanomboka omaly ny fiofanana

Ny alahady lasa teo no nanainga teny Ivato, hihazo an’i Frantsa, Rakotondrabe Romuald Felix na Coach Rôrô, Malagasy mpanazatra ny Barea de Madagascar. Hiatrika fiofanana no anton-dian’ity mpanazatra ity any an-toerana ary efa nanomboka omaly izany. Marihina fa klioba telo no hanaovan’ity Malagasy teknisianina ity fiofanana any an-toerana. Anisan’izany ny […]

Tenisy – “ITF/CAT Southern Africa” : Lavo teo amin’ny manasa-dalana ny Malagasy

Tapitra teo amin’ny manasa-dalana ny dian’ny Malagasy, amin’ny lalao an’olon-droa miaraka, “double”, nandritra ny fifaninanana “ ITF/CAT Southern African Championships 2024”, sokajy junior. Hanomboka anio kosa ny lalao ho an’ireo ekipa. Nihintsana teo amin’ny lalao manasa-dalana, Raharinjanahary Chrys­tella, vehivavy mpilalao tenisy, omaly. Lavon’ireo vehivavy zimbaboey, i Kuzivaishe Chapepa sy i […]

Tsy fifandanjana ara-bola : nihoatra ny 6 400 miliara Ar ny banga

Nihoatra ny tetibidin’ny entana nafarana avy any ivelany ny saran’ny naondrana. Araka ny antontan’isa navoakan’ny Sampandraharahan’ny ladoany (DGD), nitentina 6 438,8 miliara Ar ny banga, amin’ny tsy fifandanjana ara-barotra ho an’i Madagasikara, nanomboka ny janoary hatramin’ny novambra 2023 teo. Nahatratra 12 915 miliara Ar ny sandan’ny entana naondrana any ivelany, […]

MEF : boky mirakitra ny fitantanam-bola

Nivoaka ny boky mirakitra ny tetibola sy ny fitanatanambolam-panjakana. Mampahafantatra ny minisiteran’ny Toekarena sy ny tetibola (MEF), fa azon’ny besinimaro fantarina ny antontam-baovao mahakasika ny tontolon’ny tetibola. Anisan’izany ny tetibola ho an’ny daholobe, ny Lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana sy ny torolalana ny fomba famakiana azy. Tsy misy sarany ireo boky […]