Ao anatin’ny fametrahana ny fandaharam-potoana amin’ny fiatrehana lalao fihantsiana sady hitsapana ireo mpilalaon’ny Barea ny mpanazatra sy ny federasiona amin’izao fotoana. Fantatra àry fa firenena efatra mangataka ny hidona amin’ny Malagasy. 1 volana sy tapany, mialoha ny hahatongavan’ny datin’ny federasiona iraisam-pirenen’ny baolina kitra (FIFA), efa eo am-panatontosana fifanarahana amin’ny hanatontosana […]
Taratra
Ikongo : efa-mianaka maty nihotsahan’ny tany
Maty nihotsahan’ny tany ny renim-pianakaviana iray sy ny zanany telo tao amin’ny fokontany Ambatoharanana, kaominina ambanivohitr’Ikongo, afakomaly hariva. Tao anatin’ny orambe nikija no nitrangan’ny loza. Teny an-dalana hody izy ireo no niseho tampoka ny loza. Maty tsy tra-drano ny renim-pianakaviana sy ny zanany telo, raha naratra mafy kosa ilay raim-pianakaviana. […]
Toamasina : olona 16 nosamborin’ny polisy
Nitrangana asan-jiolahy nitondra antsy lavalela tao Ankirihiry Avaratra, Toamasina, ny sabotsy alina teo. Tovovavy iray hamonjy fodiana no nisy nanendaka teo anoloan’ny tranombarotra iray amin’ny Lalampasika. Notapenan’ireo jiolahy ny vavany saingy afaka niantso vonjy ihany izy. Nivoaka ny olona teo amin’ny manodidina ka lasa nitsoaka avy hatrany ireo olon-dratsy. Firavaka […]
Hamonjy fahoriana : telo mianaka maty nilatsaham-potaka
Niara-namoy ny ainy ny olona telo avy ao amin’ny ankohonana iray, ao amin’ny fokontany Soatoavina, kominina Manandroy, distrikan’Ambohimahasoa, omaly. Hamonjy fahoriana midona amin’ny fianakaviana no nivoahan’izy enina mianaka ny trano. Somary maloka ny andro noho ny vaninandro fahavaratra.Tampotampoka teo, nirefotra ny varatra. Niara-lasibatra izy enina mianaka. Tsy nialana nenina akory, […]
Tandindomin-doza i Toamasina : mitokona tsy mety miasa ny vondrona mpamonjy voina
Tsy mirary loza ! Notohizan’izy ireo indray nanomboka omaly, ny fitokonana nataon’ny mpiasan’ny mpamonjy voina eo anivon’ny kaominina ambonivohitr’i Toamasina. Hihamafy hatrany izany raha tsy mivaly ny fitakian’izy ireo. Ho an’ny hetsika fitokonana omaly, ireo kamiaobe fampiasa amin’ny vonjy voina raha misy haintrano no nabahan’izy ireo ny vavahady. «Tandindomin-doza noho […]




