Taratra

Nodimandry teo amin’ny faha-60 taonany…: anisan’ireo andrin’ny tantara an-tsary sy sariitatra R. Alban

« Vato ambany riana » ny tantara an-tsary tena nahafantarana azy. Marobe anefa no nisy ny dian-tanan-dRamiandrisoa Ratsivalaka Alban, ka manome voninahitra azy, noho izao fodiamandriny izao, avokoa ireo mpisehatra eo amin’ny haisary. Toy ny vara-datsaka ny vaovao, ny alin’ny alahady teo. Nodimandry Ra­miandrisoa Ratsivalaka Alban na Ramose Alban na ihany koa […]

Fahasimban’ny atin’ny ranomasina : Potika ny tontolo iainan’ny mpanjono any amin’ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo

Efa mihasimba tanteraka ny tontolo iainana sy ny karazan-javamananaina eto am­bonin’ny tany an­kehitriny. Vokatry ny tsindry ataon’ ny olombelona avokoa ny anton’ izany. Ani­san’ny misedra olana no­ho ny fahasimban’ny tontolo iainana, ny mpa­n­jono sy ny mpa­mpiasa ranomasina. Miaina eto ambonin’ny tany avokoa ny karazan-javamananaina rehetra, raha ny tontolo iainana no […]

FANTINA sy FINTINA

Hitohy amin’ny fiatrehana fifidianana depiote ny ho firafitry ny tontolo politika, araka ny nambaran’ny KMF/Cnoe . “Karazan’ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana filoham-pirenena io ary tokony hatao mialoha ny fifidianana ben’ny Tanàna izany”, hoy izy ireo. Nanamafy ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, teny Faravohitra, ny sabotsy teo, fa tsy ara-dalàna […]

Depiote Johasy Eléonore : “Mila manova fomba fiasa ny governemanta eo”

“Fantatra fa misy lalan-tsaina na toromarika vaovao momba ny sosialim-bahoaka mivoaka. Ny Praiminisitra Ntsay Christian ve no heverina fa hahatafavoaka sy hahatanteraka an’izay?”. Io no fanontanian’ny depiote tsy miankina voafidy tany Vangaindrano, i Johasy Raharisoa Eléonore. Eo ny fanamafisana ny toekarena amin’ny alalan’ny fanorenana sy fanohanana ny orinasa eo amin’ny […]

Soa ny lavo…

  Miavaka kely amin’ny mahazatra ny dingana arahina amin’ny fanendrena izay ho mpikambana ao amin’ny governemanta. Tsy manana herijika hidirana an-tsehatra ireo misora-tena ho tandapa sy tompom-pahefana zatra nanjakazaka. Misary tsotsotra ny birao handraisana ny tahirin-kevitra ho an’ny «mpifaninana». Henjana anefa ny fanaraha-maso avy aty ambadika. Araka ny voalazan’ny loharanom-baovao, […]