Tsy re tsaika fa misoko mangina ny fanaterana antontan-taratasin’ireo kandidà ho minisitra ho ao anatin’ny governemanta vaovao. Samy efa an-jatony avokoa ireo dosie voaray eny Mahazoarivo sy eny Iavoloha. Milahatra eny koa ireo minisitra teo aloha. Mbola mitohy ny fandraisana izany ka efa maherin’ny 150 ny voaray eo anivon’ny fiadidiana […]
Taratra
TSELATRA
Olona 11 naratra niharan’ny lozam-pifamoivoizana tao Miandrivazo, afakomaly maraina. Nisedra olana teknika ny fiara ka namantana tamin’ny trano fisakafoana amoron-dalana. Naratra mafy ny mpamily. Efa manaraka fitsaboana izy sy ireo mpandeha hafa naratra. Hotohoton’ny afo ny trano miisa roa tao Ambohimasina Arivonimamo, ny sabotsy 6 janoary teo. Nandeha nanao asa […]
Mpisoloky voasambotra: milaza ho mahatafiditra mpiasam-panjakana
Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Talatamaty, omaly, ny lehilahy iray misoloky ho mahatafiditra mpiasam-panjakana. Efa amam-bolana maro no nilazany fa mahatafiditra mpiasa ao amin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola izy. Maro ny fitoriana voarain’ny zandary momba azy. Fotoana maro ihany koa no nangalarany sy nisolokiny volan’olona noho io […]
Nanakorontana : lehilahy roa tratra tao anaty hotely
Voasambotry ny polisin’ny Fip ao Antsiranana, omaly, ny lehilahy roa tompon’antoka tamina fanakorontana tao anaty hotely iray any an-toerana. Nanatanteraka asa toy ny fanaony isan’andro ny polisy amin’ny fanaraha-maso ny trangana tsy fandriampahalemana ao an-tampon-tanànan’Antsiranana. Nifanindran-dalana tamin’izany ny fisiana trangana fanakorontanana tao amina trano fandraisam-bahiny iray. Tsikaritry ny polisy tamin’izany […]
Nandriaka ny ra : Ben’ny Tanàna maty voatifitra
Maty tsy tra-drano! Voatifitry ny dahalo ny ben’ny Tanàna tao amina kaominina Andranomiely, Ankazobe. Jiolahy telo kosa maratran’ny balan’ny zandary. Nataon’ny dahalo hazalambo! Maty voatifitra ny ben’ny Tanàna tao amin’ny kaominina Andranomiely, distrikan’Ankazobe, ny alahady 7 janoary teo, tamin’ny 11 ora alina. Nangingina nandritra ny herinandro vitsy ny tsy fandriampahalemana […]




