Sabotsy 13 janoary Kianja Alassane Ouattara d’Ebimpé 11 : 00 alina – Côte d’Ivoire vs Guinée Bissau Alahady 14 janoary Kianja Alassane Ouattara d’Ebimpé 05 : 00 – Nigeria vs Guinée Equatoriale Kianja Felix Houphouet Boigny 08 : 00 – Egypte vs Mozambique 11 : 00 – Ghana vs Cap-Vert […]
Taratra
Daka an-jorony: mitombo ny vola, mitombo ny fahavitrihana
Araka ny vaovao fampahafantarana avy amin’ny kaonfederasiona afrikanin’ny baolina kitra (CAF), nampitomboina ny vola ho azon’ny ekipa mpandresy amin’ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ny ekipam-pirenena, taranja baolina kitra “CAN 2024”, ity. Mba hisian’ny fahavitrihana eo amin’ireo mpandray anjara ny anton’izany. Zava-dehibe tokoa izany satria tsy very maina ny […]
Atletisma – «Cross country»: hisy fifaninanana hifantenana izay ho any Croatie
Hiditra an-tsehatra ireo kalazalahy manerana an’i Madagasikara, amin’ny taranja «cross country», ny faran’ny herinandro ho avy izao. Hiady ny tapakila hiatrehana ny ho tompondaka maneran-tany, hatao any Croatie. Araka ny fantatra, hotanterahina amin’ny sabotsy 13 janoary ho avy izao, eny amin’ny Bout de Piste Ivato, ny hazakazaka «Cross country», karakarain’ny […]
Sombim-baovao
Romain Métanire, Malagasy vodilaharana, niverina manoman-tena ao amin’ny Seriousballer any Etats-Unis, rehefa niala tao amin’ny RFC Seraing, ny herinandro lasa teo. Tsy manana klioba, araka izany, i Métanire. Marihina fa ity Malagasy mpilalao ity, anisan’ireo manana ny lanjany amin’ny toeran’ny vodilaharana ankavanana. Razafindrasata Tsito, Malagasy mpilalao baolina kitra, hilalao ao […]
« Afrobasket 2025 »: nanomboka omaly ny fampivondronana ny Ankoay
Hotanterahina eto Madagasikara, manomboka ny 15 hatramin’ny 19 janoary ho avy izao, ny fiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Afrobasket 2025”. Raha ny vaovao voaray tamin’ny Federasiona malagasin’ny Basikety (FMBB), efa natomboka, omaly, ny fampivondronana ireo mpilalao miisa 14 mirahalahy mandrafitra ny elipa-pirenena malagasy. Raha ny fantatra, hivoaka tsy ho ela […]




