Taratra

Tsy mifidy hangalarina: jiolahy tratra nangalatra jiro mirehidrehitra

Noraisim-potsiny! Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahefatra (CSP4) Isotry, teny Ampefiloha, afakomaly, ireo jiolahy roa. Tratra teo am-pangalarana jiro mirehidrehitra nandravahana ny lalana nandritra ny fankalazana ny fetin’ny Krismasy sy ny taom-baovao ry zalahy ireto. Manao ny asa fanaony toy ny mahazatra amin’ny alalan’ny fisafoana eto an-drenivohitra […]

Takaitran’ny rivodoza Alvaro: dimy ny maty, 16 290 ireo tra-boina amin’ny fianakaviana 4 626

Mavesatra ny vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Alvaro. Nisy dimy ny aina nafoy ary nitombo ho 16 290 ireo tra-boina. Faritra dimy no voakasiky ny takaitra teo amin’ny faharavana fotodrafitrasa maro. Dimy no maty vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Alvaro. Iray tao amin’ny distrikan’i Beroroha ary telo hafa tao amin’ny distrikan’i Manakara ary […]

Ankadikely Ilafy: jiolahy roa lahy voatifitry ny zandary

Nirefodrefotra ny basy! Jiolahy nitam-piadiana maty voatifitry ny zandary, tetsy Ankadikely, afakomaly. Nototoin’ny jiolahy vodibasy kosa ny tompon-trano saika norobaina. Maty voatifitra teo am-panaovana ny asa ratsiny ny jiolahy roa lahy, tao amin’ny fokontany Manazary, kaominina Anka­dikely Ilafy, ny alin’ny talata 2 janoary teo. Nahare antso vonjy ny mponina manodidina […]

Grand Tournoi d’Antananarivo : hanomboka amin’ny alahady ny manasa-dalana

Heverina ny fifaninanana baolina kitra eto Antananarivo afaka efatr’andro. Hotan­te­rahina ny alahady ho avy izao, etsy amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus, ny lalao manasa-dalan’ny fifanintsanana “Grand Tournoi d’Antana­narivo (GTA)”. Ny ekipan’ny Elgeco Plus “OPL” hihaona amin’ ny US Pro Analamanga ary ny Ajesaia “OPL” hifanandrina amin’ny Disciples FC “OPL”. Anisan’ireo lalao […]

SOMBIM-BAOVAO

Malagasy judokas miisa telo handeha hanaraka fanazaran-tena, miaraka amin’ny ekipa nasionaly frantsay, any la Réunion. Anisan’izany i Lucas, sokajy ( -66kg), i Rayan (-73kg), i Fetra (-81 kg). Maharitra sivy andro eo ity fiofanana ity, hanomboka ny 4 hatramin’ny 12 janoary ho avy izao izany. Araka ny vaovao hita tao […]