Taratra

Mitotongana ny sandam-bola : mihoatra ny 5 000 Ar ny iray euro

Mitohy hatrany ny fitotonganan’ny sandam-bola Ariary mi­o­hatra amin’ny vola vahiny euro. Niainga 4 990 Ar izany ta­min’ny 11 ora maraina. Ta­fa­ka­tra ho 5 010 Ar tamin’ny fifanakalozam-bola, nikatona ta­min’ ny 3 ora tolakandro, araka ny ta­rehi­­marika navoakan’ny Banky foiben’i Mada­gasikara (BFM). Nisanda 4 990,67 Ar ny salanisa ofisialy, ho an’ny […]

Maloto fisainana

  Raikitra izy ity ! Efatra andro aorian’ny fiandohan’ny taona, miverina tsikelikely amin’ny fanao mahazatra Ra­malagasy. Manomboka ny ankisisika fiara fitateram-bahoaka. Miverina ny varotra amoron-dalana. Mamonjy ny birao fiasany ny mpiasam-panjakana. Samy mamikiviky mamita izay iraka ankinina aminy. Samy milofo amin’ny anto-pivelomany, ahitana izay hatokon’ny ankohonany. Mazava iny ny an’ny mpitondra […]

Titra maitso: tohana ho an’ny tanora ao Anôsy sy Androy

Mitohy ny fizarana kojakojam-pamokarana ho an’ny tantsaha. Nahazo ny anjarany ny tanora misitraka ny Titra maitso tao Androy sy Anosy, ny 27 sy 28 desambra lasa teo. Fandaharanasa tantera­hin’ny fanjakana hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo ny fanohanana kojakojam-pamokarana ny tantsaha. Tanjona ny hampiakarana ny vokatra. Avy amin’ny Tahirimbola hampiroboroboana ny famokarana (FDA) no […]

Variana nilalao: zaza folo taona matin’ny herinaratra

Nihantona tamina taribin-jiro, zazalahy 10 taona maty tsy tra-drano tao Feramanga avaratra, distrikan’Am­baton­drazaka, afakomaly tolakandro. Andrin-jiro efa lavo amin-tany no nitera-doza. Nianjera efa ho efa-taona lasa, tsy mbola nisy fanarenana natao azy. Nitondra herinaratra mihazo ny orinasa lehibe iray tsy mihodina intsony ao an-toerana ilay andrin-jiro. Efa tsy nisy herinaratra […]

TSELATRA

Jiolahy mpamaky trano sy ny sakaizany voasambotry ny zandary tao Falimanjaka, fokontany Betafo, kaominina Ambohimangakely, ny 1 janoary 2024 teo. Nentin’io jiolahy io ny bisikileta saingy nifanenjehan’ny fokonolona izy ka nariany izany. Nanara-dia ny mpitandro filaminana ka noraisim-potsiny tao an-tranon’ny sakaizany io mpamaky trano io. Lehilahy nikasi-tanana zaza tao Anka­zomi­riotra, […]