Taratra

Mpamorona sady mpanentana : manohy ny lalany i Jack’s Raz

Razanadrakoto Jackie Nantenaina, na i Jack’s Raz, eo amin’ny mozika. Ankoatra ny maha mpamorona feon-kira sy tonony azy, havanana amin’ny fanentanana lanonana ihany koa izy. Fantatra fa hanohy ny lalana nodiaviny ity mpanakanto ity. Mifototra indrindra amin’ny fampiasana ny feon-gitara hoenti-mandravaka ilay feo avo sy kanto ary rakotra angola i […]

Madagaslam : “Hitohy ny fanatrarana ny tanjona napetraka”

Maro ny fifaninanana Slam avo lenta sy lehibe amin’ity taona 2024 ity. Hisy ny atrikasa sy fiofanana maro samihafa. Miisa telo ny hetsika lehibe miandry ny Madagaslam, amin’ity taona 2024 ity, araka ny nambaran’i Tajero, tomponandraikitra eo anivon’ity fikambanana mamondrona ny mpiangaly “Slam poèsie” eto Madaga­sikara ity. Voalohany, ny “Slam […]

Famokarana saribao ekolojika: miaro ny tontolo iainana, manatsara ny fiveloman’ny vehivavy sahirana

Efa manomboka miroborobo maneran-tany ny famokarana orinasa mikendry ny fanajana ny tontolo iainana. Anisan’ireny ny tetikasa famokaran’ny fikambanam-behivavy “Arimbao” eto an-drenivohitra. Misy fikambanam-behivavy 30 avy ao amin’ ny fokontany Ando­ha­tapenaka II, misehatra amin’ ny famokarana arina fandrehitra ekolojika «Arimbao». Ve­hi­vavy Mahery no anaran’ny fikambanan’izy ireo. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa vokarin’ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Niisa 222 848 ny mpizahatany nitsidika an’i Madagasikara, tamin’ny taona 2023. Mahavelombolo an’ireo mpisehatra amin’ny fizahantany io tarehimarika io, satria manakaiky ny tamin’ny taona 2019, talohan’ny krizy Covid-19. Toy ny tomponandraikitry ny fizahantany, ny mpandraharaha, ny mpitaridia, ny tompona trano fiantranoana, sns. Volavolaina ny Paikadim-pirenena hampandrosoana ny sehatra tsy miankina […]