Taratra

Fanalefahan-tsazy: gadra maherin’ny 2 000 nivoaka ny fonja

Notanterahina avy hatrany ny fanalefahan-tsazy nomen’ny filohan’ny Repoblika ny faran’ny taona teo. Voafonja miisa 9 757 nisitraka izany. Miisa 9 757 ny voafonja manerana ny Nosy nisitraka ny fanalefahan-tsazy nomen’ny filohan’ny Repoblika tamin’ny faran’ny taona teo. Afaka nivoaka ny fonja avy hatrany ny 2 766, araka ny fampitam-baovao avy eo […]

Ady tanaty “bar” : lehilahy vaky loha, voavely tavoahangy

Naratra mafy, vaky loha, ny lehilahy tratry ny angaredona tanaty trano fisotroana. Voavely tavoahangy sy voahitsakitsaka izy. Telo lahy voasambotry ny polisy. Voasambotra afakomaly, ny lehilahy fanintelony naman’ireo roa lahy niady sy nandratra olona tao anaty “Bar”. Araka ny vaovao avy amin’ny polisy, teny Ankadimbahoaka, ny alin’ny sabotsy 30 desambra […]

Federasion’ny baolina kitra : andrasana ilay fikaonandoha nolazain’ny filoha

Anisan’ny tafiditra ao anatin’ny fandaharanasan’ny filoha vaovaon’ny federasiona malagasin’ ny baolina kitra (FMF), Andriamanampisoa Alfred, ny fanatontosana ilay fikaonandoham-pirenena. Miandry izany ireo mpisehatra amin’ity taranja anisan’ny mankararirary ny Malagasy ity. Mandritra izay no hihainoana ny hetahetan’ny mpilalao sy ny mpanazatra. Vanim-potoana handraisana ny olana isan-tokony, mampikatso ny ligim-paritra sasany. Dinihina […]

SOMBIM-BAOVAO

Misaona ny eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), araka ny vaovao nivoaka tao anaty tambajotran-tseraseran’izy ireo. Nodimandry, omaly, Rarivonjatovo Tafitaniaina, mpiasa ao amin’ny FMF. Ny eto amin’ny gazety Taratra dia mirary fiononana feno ho an’ny fiankaviany rehetra. Mandria am-piadanana Rivo. Notontosaina ny sabotsy 30 desambra lasa teo, tao amin’ny […]

“Ping-pong”: loha-lisitra ny mpilalao eto an-toerana

Hotanterahina ny volana marsa ho avy izao, any Ghana, ny fifaninanana afrikanina “Jeux Africain”. Ho an’ny ekipa nasionaly malagasy, taranja tenisy ambony latabatra “ping-pong”, hisolo-tena an’i Madagasikara ny mpilalao avy eto an-toerana. Efa vita ny fifantenana izay handrafitra ny ekipam-pirenena. Notontosaina nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara natao tany […]