Nampirisika ny rehetra mba hampifanaraka ny firariantsoa amin’ny asa atao ny filohan’ny FJKM, ny Dr Andriamahazosoa Irako Ammi. Nivoitra izany tamin’ny hafatra sy firariantsoa nataony, amin’izao taona vaovao izao. Mbola hofaritana amin’ny didim-panjakana ny toerana ho an’ireo mpanolotsaina, amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna, araka ny nambaran’ny Ceni. Tsy hahazo ny toerana […]
Taratra
Kardinaly Tsarahazana Desiré : “Aoka tena hiova ka hanao ny marina isika”
Niarahaba sy nirary soa ny vahoaka sy ny kristianina ny kardinaly Tsarahazana Desiré, amin’izao fiandohan’ ny taona izao. Nambarany fa tokony harahana fibebahana ny firariantsoa ny taona vaovao. “Aoka tena hiova marina ka hiady amin’ny kolikoly, hanao ny fahamarinana. Hiady amin’ ny fitiavan-tena sy ny fihatsaram-belatsihy ary hanana finiavana hampandroso […]
Taom-panambinana
Arahaba soa, arahaba tsara mahatratra ny taona vaovao. Amin’ny toy izao, mandeha ho azy ny firariantsoa: hitondra soa sy fanambinana ny taona vaovao, ho taon-jina… Nefa tsy ny taona vaovao no hitondra inona, fa ny tsirairay arakaraka izay ataony sy vitany no mitondra soa sy fanambinana amin’ny taona vakivakiana. […]
Fanendrena Praiminisitra : miandry ny anarana telo hisafidianany ny filoha
Iza no ho Praiminisitra ary rahoviana ny fanendrena azy? Miandry ny anarana telo avy amin’ny vondrona politika manana ny maro anisa eny anivon’ny Antenimierampirenena hisafidianany ny filoha. “Ankehitriny, miandry ny fanolorana ireo anarana telo izay hotendrena ho Praiminisitra lehiben’ny governemanta avy amin’ny vondrona politika manana ny maro anisa eny anivon’ny […]
TSELATRA
Maty nilatsaham-baratra ny lehilahy iray 32 taona tao Arivonimamo, ny sabotsy 31 desambra teo. Nitondra bisikileta ity lehilahy ity no kilan’ny varatra tampoka. Tsy nisy taratasy namantarana azy intsony teny aminy. Naterin’ny fokonolona tao amin’ny hopitaliben’ Arivonimamo ny nofo mangatsiakany. Naiditra am-ponja vonjimaika ny lehilahy iray nanolana ankizivavy 14 taona […]




