Olona fito namoy ny ainy, raha 201 nandalo fizahana tao amin’ny Hopitalibe Toamasina, nandritra ny fankalazana ny fetin’ny Krismasy tao Toamasina. Nahazo vahana ny tsatok’antsy… Niakatra ny tahan’ny olona nandalo fizaham-pahasalamana tao amin’ny sampana vonjitaitra ao amin’ny Hopitalibe Analankinina Toamasina, nandritra ny fetin’ny Krismasy teo. Tao anatin’ny efatr’andro, nahatratra 201 […]
Taratra
Tae-kwon-do: lany ho filohan’ny ligy i Franck Tiana
Ora iray sy sasany ny faharetan’ny fivoriambe ara-potoana sy nifidianana izay ho filohan’ny ligin’Analamanga, taranja tae-kwon-do WT, omaly, tao Andravoahangy. Mbola lany hitantana fanindroany Rakotomanana Franck Tiana. Tsy nisy afa-tsy roa ireo kandidà nifaninana: izy sy Rasolofo Herinirina Jocelyn, filoha lefitry ny ligy teo aloha. Tonga nandatsa-bato avokoa ireo seksiona […]
Lomano-Thaïlande: nahazo medaly volamena roa sy volafotsy iray i Tendry
Fahombiazana tanteraka no azon’i Tendrinavalona Tendry Diaritiana, nandritra ny fifaninanana taranja lomano, tany Thaïlande. Medaly volamena roa sy volafotsy iray no norombahiny nandritra izany, teo amin’ny sokajy 50m, 100m ary 200m dos. Tsy vitan’izany fa nahavita nanatsara ny fe-potoana tsara indrindra ihany koa izy tamin’ity fifaninanana ity. Zava-bita tsara indrindra […]
Sombim-baovao
Hotanterahina anio 28 sy rahampitso 29 desambra, ny fifaninanana basikety 3X3 “Agnambahy mifety”, andiany fahatelo. Fifaninanana karakarain’ny ligin’Atsimo Andrefana, hatao ao amin’ny CEG Farafangana, manomboka amin’ny 8 ora maraina ny lalao. Nanomboka omaly 27 desambra ny fiofanana ho mpitsara sy mpanazatra eo amin’ny taranja volley-ball. I Fianarantsoa no nisitraka izany […]
Nanao sasakalina: lasan’ny jiolahy ny vilany feno laoka
Lasan’ny jiolahy ny entana sarobidy rehetra tao amina tokantrano iray eny Anosibe Mandrangobato I, ny alahady alina teo. Lasa nandeha namonjy sasakalina tamina fiangonana iray eny amin’ny manodidina ny fianakaviana tompon-trano ka nanao ny nataony koa ny jiolahy. Tsy vitan’izay fa nalain’ireo olon-dratsy hatramin’ny vilany feno laoka hiatrehana ny fety […]




