Voasambotry ny polisy misahana ny cybercriminalité teny 67 ha, afakomaly, ireo vehivavy roa malaza ratsy amin’ny fisolokiana olona halefa hiasa any Canada. Vehivavy efatra no efa lasibatr’izy roa vavy mpisoloky ireo. Nilaza izy ireo fa afaka mandefa olona hiasa any Canada. Resy lahatra ireo olona solokiny ka tapa-kevitra ny hikararaka […]
Taratra
Iray maty, enina naratra: nifandona ny dahalo sy ny fokonolona
Namoizana ain’olona iray ary enina hafa naratra ny fanafihan-dahalo tao Soaserana, Ivohibe, ny 26 desambra teo. Dahalo nirongo fitaovam-piadiana nananika tanàna ka nangalatra omby 91. Naharay fampandrenesana ny zandarimaria miasa ao an-toerana ka nanao ny fanarahan-dia. Indroa niantoana ny fifandonana teo amin’ireo fokonolona nanara-dia sy ny dahalo. Nifamaly tifitra voalohany […]
Taom-pambolena 2023-2024: nahatratra 380 000 kilao ny masomboly vary voazara
Manohana mivantana ny tantsaha mpamboly ny tetikasa “Purpa », vatsian’ny Banky afrikanina ara-bola, hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Notolorana kojakojam-pamokarana izy ireo, toy ny masomboly samihafa, sy zezika NPK sy organika. Nosantarin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), ny volana novambra teo, ny taom-pambolena 2023-2024. Misy ny lamina sy ny paikady mazava […]
Raharaha depiote Manakara: mpanao gazety nosamborina !
Nosamborin’ny polisy avy aty Antananarivo ny mpanao gazety Rakotomalala Rossignol, miasa any Manakara. Voalaza fa niditra antsokosoko tamin’ny kaonty Facebook-n’ingahy depiote izy. Manara-maso akaiky ny Holafitry ny mpanao gazety. Tsy nampoizina ! Nosamborina omaly folakandro, ny mpanao gazety, Rakotomalala Rossignol, miasa amin’ny Radio Zanagasy ao Manakara. Polisy avy aty an-drenivohitra no naka azy tany […]
Ipam: natolotra ny paikady hamahana ny olan’ny mponina
Notanterahina tetsy Anosy, omaly, ny fivoriana ara-potoana niarahan’ny kaominina mivondrona ao anatin’ny Ivom-panajariana ny tanàn’Antananarivo sy ny manodidina (Ipam). Kaominina manodidina ny 40 no mandrafitra izany. Ahitana ny kaominina Antananarivo Renivohitra, ny kaominina ao amin’ny distrikan’Atsimondrano, Avaradrano ary Ambohidratrimo. Nanolorana ny paikady mahakasika ny hamehezana sy hamahana ny olana sedrain’ny […]




