Taratra

Future for Children Madagascar – Overcome Women Madagascar: Hanohana ny ankizy sy ny zon’ny vehivavy

Fikambanana iraisam-pirenena roa no hiasa eto Madagasikara ho fampivoa­rana ny lafiny sosialy. Noraisin’ ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Auré­lie, teny amin’ny toeram-piasany, ny mpiandraikitra ny Future for Children Madagas­car sy ny Overcome Women Madagascar. Hiara-hiasa ho fikarakarana ny olona marefo ny fikambanana sy ny mini­sitera. Misehatra manokana […]

Taonan’ny vaksiny ny 2024: Nahomby ny hetsika fanaovam-baksiny enina vita

Raha tombanana ny taona 2024 ho an’ny lafiny sosialy, nibahan-toerana ny fahasalamana, indrindra ny ho an’ny ankizy, tamin’ny hetsika fanaovam-baksiny enina natao hisorohana ny aretina sy ny fahafatesan’ny zaza madinika. “Efa niakatra ho 86% ny tahan’ny zaza vita vaksiny ny volana desambra 2023, raha 36% monja izany taorian’ ny fiparitahan’ny […]

TARATRY ny KANTO

« Okay Live », eny amin’ny CCI Ivato. Anisan’ ny hetsika hamaranana ny taona ity hiseho anio ma­nomboka amin’ny 10 ora ity. Fampirantiana ny hakanton’ireo fiara tranainy, arahina fampisehoana nataon’ireo mpanao rap zokiny izany. Hifandimby an-tsehatra ry Ben J, Doublenn, Budha El Taga, Psykopasy, Tako­dah sy NgahB, sns. Hivalona tsy […]

« Festival Sambaraha » : Fetibe mitohy ny any Fort-Dauphin

Nilatsaka anelanelan’ny Noely sy ny fetin’ny faran’ny taona ny « Festival Sam­baraha ». Hetsika ara-kolontsaina sy fizahantany tontosaina na­nomboka omaly ka hifarana rahampitso alahady izy ity, ao an-drenivohitry ny faritra Anosy. Fetibe mitohy, araka izany, ny ao Fort Dauphin. Ny alakamisy dia efa nosokafana tamin’ny famonoana omby ho nofon-kena mitam-pihavanana izany. Narahin’ny […]

Taona 2025 – Boky : Hivoaka ny Valihan’ Ikaky I

Ny taona 2020, nivoaka voalohany ny boky Valihan’Ikaky. Amin’ny ankapobeny, voasokajy ao anatin’irony boky hoenti-mandalina ny zava-panahy izy tamin’izany. Nanantombo kokoa, mantsy, ny fampianarana sy fanabeazana momba ny fifandraisana sy ny fifamatoran’ny fanahy sy ity zavamaneno ity, raha oharina amin’ny fampianarana mitendry valiha, voarakitra ao anatiny. Nanjary maro be ireo […]