Taratra

TARATRY ny KANTO

Hisy ny fiofanana mamelona tantara an’onjampeo. Hizara ny traikefany amin’izany i Christophe Rabearimanana, iray amin’ireo kalaza amin’izao fotoana. Etsy amin’ny Tahala Rarihasina no hanaovana azy ity, anio, manomboka amin’ny 9 ora hatramin’ny 4 ora hariva, hitohy amin’ny heriny. Ny Fari­bolana Sandratra izay ivondronana mpisehatra amina tantara an’onjampeo maro no mikarakara […]

IPAS Madagascar: Manamafy ny fanabeazana ara-pananahana ho an’ny zatovo

Nikarakara atrikasa fa­melabelaran-kevitra tetsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina, ny Ipas Afri­que Madagascar, ny alarobia 4 marsa 2026 teo. Fotoana niresahana mahakasika ny zo sy fahasalamana ara-pananahana eo amin’ny zatovo. Ao anatin’ny sokajin’olona marefo ny zatovo, indrindra ny zatovovavy satria iharan’olana maro. Ankoatra izay, mbola mipetraka ho fady eny ani­von’ny fiarahamonina […]

INDRAY MIJERY

Tonga ny vaksiny miaro amin’ny valanaretina Mpox. Fatra 30 000 no azon’i Madagasikara noho ny tohana avy amin’ny mpiray ombon’antoka, Unicef sy ny OMS. Novokarin’ny laboratoara Bavarian Nordic ny vaksiny. Hisitraka azy voalohany ny mpiasan’ny fahasalamana sy ny olona tena ahina amin’ny ambana hifindran’ny aretina. Hatramin’ny 3 marsa lasa teo, […]

Vadin’ny filoha, Randrianirina Elisa : « Fototra ho an’ny fiarahamonin’ny vehivavy »

Tanterahina etsy Maha­masina ny fampirantiana ma­nasongadina ny harena ara-kolontsaina sy ny fahaiza-mamorona ananan’ny vehi­vavy avy amin’ireo faritra 23. Hetsika natao hampahafan­tarana ny asa tanana, toy ny taozavatra sy ny zavakanto vokarin’ireo vehivavy izany. Maneho ny anjara biriky entin’ izy ireo manohana ny toeka­ren’ny ankohonana sy ny fampandrosoana ny firenena ihany […]

Minisiteran’ny fahasalamana : Nanao atrikasa ho an’ny CREC

Nanao atrikasa fanavaozana ny fandaharam-piofanana ho an’ireo mpisehatra “CREC”, ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Notanterahina teto Antananarivo, nanomboka ny 04 hatramin’ny 06 marsa 2026 lasa teo izany. Atrikasa hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra rehetra manoloana ny fiatrehana valanaretina sy areti-mifindra lehibe misy eto amin’ny Nosy. Tafiditra ao anatin’izany ny fampidirana ma­zava ny fomba […]