Taratra

« Festival Sar’nao, mois de la photo »: An-dalam-pivelarana ny saripika malagasy

Anisan’ny mampitolagaga ny fahafehezana ny saripika. Ho an’ny eto Madagasikara manokana, mahavelombolo ny mahita ny fahaiza-manaon’ny mpiangaly izany, na dia mbola tsy matihanina tanteraka aza. Hifarana anio, ny rantin-tsary « Les émotions dans tous ses états » karakarain’ny Photo Club CGM ao amin’ny Cercle Germano Malagasy Anala­kely. Hetsika tafiditra ao ana­tin’ny « Festival […]

Fitaterana : Tafakatra 245 ny fiara miala an’Antananarivo mihazo ny faritra

Fotoana mahabetsaka mpandeha avy eto an-dReni­vohitra mankany amin’ny faritra ma­ne­rana ny Nosy ny vaninandro fety toy izao. Betsaka mpa­n­deha indrindra amin’izany ny any amin’ny faritr’i Be­tsiboka sy i Boeny. Nahitana fiakarany ny tahan’ny olona miala ny Renivohitra mihazo ny faritra hafa manerana ny Nosy, tamin’ny fetin’ny Noely lasa teo, raha […]

FANTINA sy FINTINA

Maro anisa amin’ireo voafidy amin’ny voka-pifidianana vonjimaika navoakan’ny Ceni ny avy amin’ ny Irmar, manerana ny Nosy. Nahazo ben’ny Tanàna miisa 967 izy ireo. Arahin’ny tsy miankina miisa 474 raha 52 kosa ny avy amin’ny Fivoi. Miisa 38 kosa ireo ben’ny Tanàna Tim, arahin’ny Firaisankina, miisa 37. Nahazo 36 kosa […]

Hafatry ny fiangonana Anglikanina : “Aoka isika tsy hanary ny fanantenana”

Anisan’ireo nitondra hafatra amin’izao fankalazana ny fetin’ny Noely izao koa ny eo anivon’ny fiangonana Angli­kanina (EEM) eto amintsika. Nitondra fampaherezana mba tsy ho mora kivy sy mivavaka ho an’ny kristianina ary ny vahoaka malagasy izy ireo tamin’izany. “Aoka isika tsy hanary ny fanantenana manoloana izao fahasahiranana iainana izao… Mirary Krismasy […]

Vahoaka mahalala ny ataony

  Laingalainga, tsy misy izay hoe fiatoana sy fitoniana politika amin’izao. Tabataba lalandava. Raha mba haha­tsara zavatra sy mahasoa moa ka haninona? Indrindra ho raharaham-pirenena sy ny fiainam-bahoaka… Hatramin’ izao, tsy miova firy ny fomba politika. Vao mainka miharatsy no ho ny teo aloha aza… Nahoana? Tsy izay hahatsara ny […]