Taratra

« Cosafa School U-15 »: Tsy tafavoaka vondrona i Madagasikara

Tsy namokatra firy ny ekipa nasionaly malagasy nandritra ny “Cosafa School U-15”, natao tany Harare Zimbabwe. Samy tsy nisy tafavoaka vondrona ny sokajy lahy sy vavy. Ratsy ny vokatra ho an’ny ekipa nasionaly malagasy, nandritra ny fifaninanana « Cosafa School U-15 », taranja baolina kitra, izay natao tany Harare Zimbabwe, ny 15-16 […]

Federasionan’ny lomano : tsy raikitra ny fifidianana !

Tsy raikitra ny fifidianana izay ho filohan’ny Federasiona malagasin’ ny lomano, saika natao ny sabotsy teo, tetsy amin’ny Akademia nasionalin’ny spaoro (ANS) Ampefiloha. Olana teo amin’ilay kandidà nirotsaka ho fidina no antony tsy nanaovana ity fifidianana ity. Kandidà tokana no nirotsaka saingy manana olana izay mifanipaka amin’ny fitsipika mifehy ny […]

Federasiona malagasin’ny tolona: Voafidy ho filoha indray Raveloson Mamitiana

Lany ho filohan’ny Fede­ra­siona malagasin’ny tolona (FML) faninefany, Raveloson Mamitiana. Izy indray, araka izany, no hitantana ity taranja ity mandritra ny efa-taona ma­naraka, rehefa nahazo vato efatra tamin’ireo ligy efatra ton­ga nanatrika ny fifidianana teny Ivandry, ny zoma lasa teo. Ani­san’ireo mbola nametraka fitokisana taminy indray, ny li­gin’Analamanha, Atsinanana, Boeny, […]

Rugby : lasan’ny Cosfa ny amboaran’i Madagasikara

Noraofin’ny Cosfa (Bebaoty) nody any an-dakazery ny amboaran’i Madagasikara, taranja rugby. Resiny teo amin’ny famaranana ny Uscar (Kaominina Antananarivo Renivohitra). Tsy mbola afa-bela tamin’­izy ireo indray izany ny Uscar. Tontosa omaly alahady, tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny famaranana niadiana ny amboa­ran’i Madagasikara, taranja rugby. Nobatain’ny Cosfa (Bebaoty), ny fandresena […]

Lanonan’ny faran’ny taona : any Frantsa ny Groupe Mirasoa

Ny taona 2020 no niorina ny Groupe Mirasoa.18 mianadahy, ahitana mpitendry zavamaneno, mpihira, mpandihy ary mpiangaly ny feolafika no mandrafitra ny tarika. Tao­rian’ny nahavitan’ ny Mirasoa ireo fitetezam-paritra nahahenika an’i Madagasikara. Hia­ka-tsehatra hizara ny kantony any Marseille, ny 30 desambra ary ao Paris, ny 31 desambra ho avy izao, ny tarika. Seho […]