Efa fantatra hatramin’ny ela ny olan’ny vahoaka ifotony fa ny fiatrehana fiainana andavanandro: tsy fandriampahalemana, vidim-piainana, tsy fisian’asa, famatsian-drano sy jiro, masomboly sy zezika… Tsy vaovao koa izay mamaky loha isan’andro ny ankamaroan’ny mpanao politika fa ny hambompo politika, ny ady fahefana, ny fangirihana na fiarovana tombontsoa… Amin’ny ankapobeny, […]
Taratra
Filoha Rajoelina Andry : fiaingana vaovao ho amin’ny 5 taona
Nametraka fanamby maromaro ny filoha Rajoelina Andry ary efa fiaingana vaovao ho amin’ny 5 taona manaraka, taorian’ny fianianany natao ny sabotsy teo, izany. Niompana amin’ny sosialim-bahoaka kokoa izany. Anisan’ny fiaingana vaovao ao anatin’izany ny fiahiana ny maha olona. “Hitsinjo ny isan-tokantrano aho, indrindra ireo tena marefo. Lehibe sy mavesatra ary […]
Androhibe : mpanao Cash point voasoloky 800 000 Ar
Manjaka ireo mpisoloky amin’ny alalan’ny fampiasana telefaonina amin’izao fotoana. Mpiasa amin’ireny iray lasibatr’izany, tetsy Andrianalefy-Androhibe, ny alakamisy 14 desambra teo. Vehivavy iray nilaza nahita asa niditra tao aminy. Mandefa vola amin’ny alalan’ny finday io asa vaovao io ka nomen’ny olona tsy fantatra azy ny laharana finday maromaro. “Efa hitan’ny masonay tamin’ny […]
TSELATRA
Fiara tsy mataho-dalana nivadika anaty tanimbary, tetsy Ampitatafika, afakomaly atoandro. Zazakely iray voalaza fa naratra mafy ka voatery naiditra hopitaly niaraka amin’ireo olon-dehibe sasantsasany tao anaty fiara. Fandehanana mafy no niteraka ny loza. Mpisoloky telo vavy voasambotry ny zandary tetsy Ambohimangakely, ny zoma 15 desambra teo. Mody mivarotra tany amin’ireo […]
Anjozorobe : vehivavy roa nalain’ny dahalo an-keriny
Naka takalon’aina indray ireo dahalo mpaka an-keriny tao Ambohibary Vohilena, Anjozorobe, ny faran’ny herinandro teo. Mpamboly sy mpamongady ireto lasibatra. Mbola tsy tafaverina hatramin’ny omaly ireo olona enina lasan’ny dahalo an-keriny, tao amin’ ny tanànan’Ambohibary, kaominina Ambohibary Vohilena, distrika Anjorobe. “Mbola anatin’ny fanarahan-dia ireo dahalo tanteraka izahay amin’izao fotoana”, hoy […]




