Notanterahin’ny tetikasa AD2M sy ny fitantanam-paritry ny Fambolena sy fiompiana (DRAE) Melaky, ny 12 desambra teo, tany amin’ny Antsalova, ny fandraisana vonjimaika ny fahavitan’ny asa fanajariana ny lemak’i Beboka. 30 taona lasa izay, afaka namboly vary tamin’ny andaniny roa amin’ny reniranon’i Beboka ny mponina any amin’ ny kaominina Ampamoty, Saririaka, […]
Taratra
Fandoavan-ketra : niampy 41.000 ny ara-dalàna
Nifarana, omaly, ny hetsika “Anjara hetrako”, nokarakarain’ny foiben’ny fitantanan-ketra (Direction générale des impôts) tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina nandritra ny Tsenaben’ny mpandraharaha. “Natao hanamorana ny fampidirana an’ireo mpandraharaha madinika sy tena madinika eo amin’ny sehatry ny ara-dalàna ny hetsika”, hoy ny fanazavan’ny lehiben’ny sampandraharaha ny fampiroboroboana ny olom-pirenena ara-ketra, Randrianomanana Imiangaly. Tao […]
Kitapom-bolam-panjakana : mampiditra 3.5 miliara Ar mahery isan-taona ny lamatra
Kitro ifaharan’ny toekarena ny jono sady miantoka hatrany amin’ny 25% ny harinkaren’i Madagasikara. Ankehitriny, maherin’ny 3.5 miliara Ar ny vola nampidirin’ny lamatra tamin’ny kitapom-bolam-panjakana. Manana anjara toerana lehibe amin’ny fampiroboroboana ny toekarena ny jono lamatra. Isan-taona, maherin’ny 3.5 miliara Ar ny vola ampidiriny ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana taorian’ny fanatsarana ny sehatra […]
Tetikasa Produir : miisa 203 ny fotodrafitrasa hatsangana
Natomboka tamin’ny fomba ofisialy, omaly 15 desambra, ny andiany faharoa amin’ny asa ao anatin’ny tetikasa fampiroboroboana ny tanàn-dehibe (Produir), tohanan’ny Banky iraisam-pirenena, tanterahin’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny fananan-tany (MATSF). Nanombohana azy teny amin’ny kaominina Andranonahoatra, Anosizato Andrefana ary Bemasoandro Itaosy. Tafiditra ao anatin’ny singa ho tanterahin’ny Produir ny […]
Fanovana ny CFM : velon’ahiahy i Maka Alphonse
Naneho ny heviny amin’ny nandanian’ny parlemanta amin’ny fanovana ny firafitry ny CFM, ny filoha nitarika izany teo aloha, i Maka Alphonse. Nambarany fa ny fotoana tahaka izao aza no tokony hijerena manokana io rafitra io. “Mamofompofona krizy izao eto amin’ny firenena ka tokony hanomezana fahefana bebe kokoa ny CFM “, […]




