Taratra

DJ Natoo: hitondra ny “Moonlight party”

Hafana indray ny fiarahana amin’ity faran’ny herinandro ity. Haneho ny maha izy azy ireo kalaza amin’ny fampandihizana sy fikosehana kapila miarahalahy, iarahana amin-dry DJ Cyemci sy DJ Natoo anio zoma 25 novambra. rahampitso kosa indray, hisy ny “Moonlight party” iarahana amin’ny DJ Natoo hatrany etsy amin’ny Ethnika Analakely, manomboka amin’ny […]

Hiray sehatra indray… Hihira ny fitia i Dô sy i Lôla

Dô Rajhonson, fantatra hatramin’izay amin’ny hiram-pitiavana amin’ny endriny rehetra. Tsy vitan’izay fa manana ilay feo miavaka sy ny hira milantolanto, maneho ny fihetseham-po torin’ny hirany… Lôla kosa, be mpankafy amin’ny karazan-gadona maroloko, ahenoana ny basesa, ny milamindamina… Mam­pitovy azy mirahalahy ireto ny hiram-pitiavana, ary izay no tena hisongadina mandritra ny […]

Miantsampy amin’ny hazo tsy fantatra: mizotra amin’ny lalan-diso ny fanabeazana ny Malagasy

Ananan’i Madagasikara avokoa ireo singa rehetra mampijoro ny tany iray ho tonga firenena. Ao ireo mbola madio mangatsakatsaka fa misy koa ireo efa tsy tokam-pangaro intsony noho ny fidiran’ny zava-bahiny. Nanjary nahita ny tsy fahitany, nandre ny tsy fandreny, nanao ny tsy fanaony, sns, ny Malagasy. Nisy ireo niezaka nampifanatona […]

Tenisy « Coupe Davis »: Tafakatra amin’ny manasa-dalana ny Italianina

Tafita hiatrika ny lalao manasa-dalana ny Italianina amin’ny fiadinan’ny amboara Davis na ny “Coupe Davis”. Resin’i Fabio Gognini sy Si­mone Bolelli ry Tommy Paul sy Jack Sock tamin’ny seta (6-4, 6-4) amin’ny tenisy an’olon-droa, tany Malaga, omaly. Izy ireo izany no firenena fahatelo tafita hiatrika ny la­lao manasa-dalana taorian’ny Aostralia […]

Judo-Tournoi International: efa tonga omaly ny Renioney

Hanomboka, anio, etsy amin’ny kianja mitafon’An­ko­rondrano ny fifaninanana « Tournoi International de Judo ». Ny fanamarinana ireo delegasiona vahiny avy amin’ny Nosy rahavavy ny ha­nombohana ny fandaharam-potoana ho amin’ny anio. Hitohy amin’ny fihaonan’ny mpitsara sy ny fivoriana ara-teknika ary antsapaka izany avy eo. Hatreto, firenena miisa 2 no nilaza fa hoavy hiatrika […]