Taratra

Rugby – Amboaran’i Madagasikara: tsy afa-bela tamin’ny TAM ny Mang’Arts

Manohy ny dia amin’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja rugby, ny TAM Anosibe rehefa nandresy ny Mang’Arts Manjakaray. Tafita ihany koa ny TFA Anatihazo sy ny USA Ankadifotsy. Tontosa omaly alahady, te­tsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny lalao sakana hiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja rugby. Anisan’ny lalao nandrasan’ny rehetra ny fihaonana teo amin’ny […]

Sombim-baovao

Hotanterahina anio, eny amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny fitiliana ireo Malagasy mpilalao miisa 60, izay voafantina manerana ny faritra. Miisa efatra ireo vahiny teknisianina ho avy eto an-tanindrazana, anisan’izany ny klioba Frantsay, Losc Lille. Marihina fa natao hampivoarana ny baolina kitra eto amintsika izany. Nisaraka ady sahala 1 no ho […]

FIBA 3X3 Africa Cup : fantatra ireo mandrafitra ny ekipa malagasy

Hotontosaina ny faran’ity herinandro ity, any Le Caire Egypte, ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja basikety 3×3. Nivoaka ny sabotsy teo ny lisitra ofisialin’ireo mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, lahy sy vavy. Fiovana misongadina ny fahitana an-dRandriata­hiana Sa­robidy, mpilalaon’ny GN­BC, ao anaty lisitra. Raha ny fanazavana, misolo an’i Chi­ne i Sarobidy. […]

“Road to BAL” : Tapitra hatreo ny lalan’ny Cospn

Nifarana hatreo ny lalan’ny Malagasy, ekipa solontena amin’ny fifaninanana “Road to BAL 2024”, taranja basikety. Nolavoin’ny Dynamo Burundi, teo amin’ny fiadian-toerana fahatelo izy ireo. Isa iray monja no namoizan’ny Malagasy ny nofinofiny hiatrika ny fifaninanana “Basket-ball Africa League”, taona 2024. Tamin’ isa 79 no ho 78 no nandresen’ny ekipan’ny Dynamo […]

TARATRY ny KANTO

“Onjam-po amperin’antsa”. Seho hafakely satria mpanentana fandaharana amin’ny onjam-peo no nampiaina an-tsehatra ireo sanganasan’ny mpanoratra maro, tetsy amin’ny CGM /GZ Analakely, ny sabotsy lasa teo. Fotoana nisehoan’ireo olona ambadiky ny feo, i Nanja Razafindrakoto (Aceem Radio), Ony Mihaja­nirina (Rdb), Mi Ramanitra (Free Fm), Meva (Radio Fahazavana) ary Miah Rabeson (Iarivo […]