Naiditra am-ponja vonjimaika rehefa avy natolotra ny fampanoavana, omaly, ny andian-jiolahy tompon’antoka tamina halatra kisoa. Ny 2 desambra 2023 lasa teo no nitrangan’izany halatra izany tao Andasy, fokontany Ambohitremo Ambohimalaza. Tao amina toeram-piompiana lehibe no niditra an-tsokosoko ireto mpangalatra kisoa ireto. Nopotehin’ireo olon-dratsy mialoha ny jiro manazava io toeram-piompiana io […]
Taratra
TSELATRA
Voasambotry ny polisy ny lehilahy nihazona basy vita gasy tao amin’ny fokontany Ambalakida, distrikan’Antsohihy, afakomaly. Mpitandro filaminana nanao fisafoana amin’ny alina no nahasarona azy. Nohazomina vonjimaika io lehilahy io ary atolotra ny fampanoavana tsy ho ela. Dahalo nikasa hangalatr’omby matin’ny fitsaram-bahoaka tao Faliarivo, fokontany Ambalafeno, kaominina ambanivohitra Fidirana, distrikan’i Mandoto, […]
Fanandevozana sy vono olona : afaka madiodio ry pasitera efa-mianaka
19 volana aty aorian’ny nitazomana azy mianakavy tany am-ponja, afaka madiodio ry pasitera efa-mianaka. Nampangaina ho nanandevo sy namono tovolahy iray taizany izy ireo. Niakatra teo anoloan’ny fitsarana ambony misahana ny ady heloka bevava andiany faharoa, ny antontan-taratasin’ady laharana faha-119-Toa/22-1333-RP/22, afakomaly. Raharaha izay nahavoarohirohy pasitera iray. Voampanga ho nanao fanandevozana […]
Ambatomainty : taolan-dava efatra lasan’ny mpangalatra
Nitrangana vaky fasana tao Ankiranomena fokontany Andoharano, distrikan’Ambatomainty, afakomaly. Nahazo fitarainana avy amin’ny tompom-pasana ny kaomandin’ny boringadin’Ambatomainty. Nidina nanao fanadihadiana avy hatrany ny zandary. Voamarina ny tranga nandritra ny fizahana ny toerana. Vato mifanongoa voajanahary ity navadika ho natao fasana fandevenana ity. Nisy nanokatra anefa ny fasana. Lasan’ireo mpangalatra tamin’izany […]
Filoha Rajoelina Andry : niarahaba i Maraoka sy i Sina
Tsy mbola nifarana ! Niarahaba sy nirary soa ny filoha Andry Rajoelina sy ny vahoaka malagasy ny fanjakana Maraokanina sy Sinoa. Nampita ny hafatra, tamin’ny alalan’ny mpitondra tenin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i Wang Wenbin, ny filohan’i Sina amin’izao nahavoafidy indray ny filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina, izao. Nivoitra tamin’izany ny fiderany […]




