Anisan’ny mampitaraina ny mpampiasa lalana ny eny amin’ny Fasankarana, mivoaka any Anosizato. Hamaha ny fitohanan’ny fifamoivoizana ny fanarenana azy tanteraka. Nanomboka omaly, ny fanarenana ny lalana eny Ankadimbahoaka, Fasankarana, Anosizato. Haharitra enina herinandro ny asa, ka hifarana amin’ny 19 desambra ny dingana voalohany, fa hiverina hitohy indray manomboka ny 5 […]
Taratra
SOMBIM-BAOVAO
Malagasy mpitsara efatra no nitsara ny lalao nihaonan’i Maurice sy Seychelles, taranja baolina kitra, omaly, tany Maurice. Marihina fa lalao ara-pirahalahiana ity fifanandrinan’ny roa tonta ity. Anisan’ny mpitsara tamin’izany Raharimanantsoa Lovasoa, Razafitsalama Herilalaina, Ramanantsara Nivo, ary i Ohabee Abdoul. Notanterahina omaly, teny amin’ny kianjan’Ambohidratrimo, ny andro faharoan’ny fifaninanana « Grand […]
2è Grand Prix Karting : hamaritra izay ho tompondakan’i Madagasikara
Hanakatona ny fifaninanana ny eo anivon’ny Federation sport automobile Malagasy (FSAM). Hamarana izany ny dingana farany amin’ny fifaninanam-pirenena eo amin’ ny karting. Hotanterahina ny alahady 10 desambra ho avy izao, eny amin’ny “circuit” SRK Imerintsiatosika ny “2è grand prix karting”, dingana fahenina sady farany amin’ny fifaninanam-pirenena. Fihaonana karakarain’ny klioba FMMSAM. […]
Rugby « Coupe de Mada 2023 » : hanalavela amin’ny FTM ny Cosfa
Hotanterahina etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny alahady 10 desambra ho avy izao, ny lalao manasa-dalana, fiadiana ny amboaran’i Madagasikara 2023, taranja Rugby. Anisan’ireo lalao tena andrasan’ny maro ny fihaonana eo amin’ny FTM Manjakaray sy ny Cosfa Miaramila. Mbola manalavela amin’ny Dakar ny Bebaoty miaramila amin’ity fifanandrinan’ny roa tonta ity. […]
Fanomanan-tena: hidona amin’i Maroc sy i Mozambique ny Barea
Raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina amin’ny volana janoary ireo lalao roa ireo. Tafiditra ao anatin’ny fanomanan-tenan’ny ekipam-pirenena Malagasy, dia mety hisy lalao ara-pirahalahiana hifandonan’ny Barea amin’i Maroc sy i Mozambique. Nanambara izany i Rakotondrabe Romuald Felix (Rôrô), mpanazatra ny Barea, tao amin’ny tambajotran-tseraserany, afakomaly. Raha tsy misy ny fiovana, […]




