Taratra

Vonoan’olona tao Anjeva Gara : Matoky ny fitsarana ny fianakaviana

Hiakatra fitsarana rahampitso ao amin’ny efitrano fitsarana raharaha ady heloka bevava, Lapan’ny Fitsarana Anosy, ny raharaha vonoan’olona feno habibiana teny Amboalefoka Anjeva Gara, ny talata 18 avrily 2023 teo. Renim-pianakaviana iray mpandraharaha no niharan’ny vonoan’olona. Olona 11 ireo voampanga. Anisan’ireo voarohirohy ho tompon’antoka tamin’izany ny vadiny. Torak’izany ny vehivavy iray, […]

Fanapahan-kevitry ny CSM: miisa 500 ny famindran-toerana ireo mpitsara

Notanterahina omaly, tetsy Anosy, ny fiarahabana ireo mpikambana vaovao eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny mpitsara (CSM). Nisy ny fisaorana ireo birao teo aloha. Nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Randriama­nantenasoa Landy Mbo­latiana, sady filoha lefitra tamin’izany fa tsy mora ny asa tao anatin’ny telo taona nefa tsy maintsy notanterahina. Anisan’izany ny fanapahan-kevitra miisa […]

VAOVAO TAMBATRA

Hiverina hisokatra ny zotra an-dalamby mampitohy an’Antananarivo sy Antsirabe (TA) rehefa nikatona nandritra ny efa-taona. Niainga teo amin’ny garan’i Soanierana omaly maraina tokony ho tamin’ny 7 ora sy 20 minitra ny “draisine” ampiasaina amin’ny asa fanamboarana atao ary tonga tao Antsirabe tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany atoandro. Hivelatra […]

fanenana ny entona karbona : nahazo 8,8 tapitrisa dolara i Madagasikara

Mitentina 8,8 tapitrisa dolara ny vola azon’i Mada­gasikara avy amin’ny Banky iraisam-pirenena entina hanenana ny entona karibona. 1,76 tapitrisa taonina ny entona ratsy, nandritra ny taona 2020. Firenena fahatelo aty Afrika nandoavan’ny Banky iraisam-pirenena vola ho fampihenana ny entona vokatry ny fahasimban’ny ala ny firenena malagasy, ilay antsoina hoe REDD+. […]

“Cop 28”- Dubaï : Andro manokana ho an’i Madagasikara

Natokana ho andron’ny Rano, fanadiovana sy fidiovana, na “Wash Day”, omaly 5 desambra, tany Dubaï tao amin’ny tranoheva manokana, Pavillon Madagasikara. Mandritra ny fivoriambe iraisam-pirenena momba ny fiovan’ny toetr’andro sy ny tontolo iainana, “Cop 28” no nanaovana izany, teo ambany fiahian’ny minisitry ny Rano, fanadiovana sy fidiovana (MEAH), Ravokatra Fidiniavo. […]