Tsy tokony hisy olona na vondron’olona haneritery ny filohan’ny Repoblika amin’ny fisafidianana izay ho mpikamban’ny governemanta vaovao hajoro eo, araka ny fanehoan-kevitry ny avy amin’ny antoko Freedom, ny depiote voafidy tamin’ny anaran’ny IRD tany Miarinarivo, Rakotondrasoa Fetra, momba ny fandrafetana ny governemanta amin’ny fe-potoam-piasana faharoan’ny filoha Rajoelina. Tsy olona no […]
Taratra
Izay voky no mangina
Efa hita miparitaka amin’ny fitaovan-tserasera fa hanao ny fianianany amin’ny maha filohan’ny Repoblika azy, ho amin’ny dimy taona manaraka i Andry Rajoelina. Efa mandamindamina izany avokoa ny ekipa rehetra, indrindra ny eny an-dapa. Adidin’izy ireo rahateo ny mamolavola sy mandamina izany mba tsy hisy ny lesoka. Mariky ny ho fahombiazana […]
Kolikoly sy fanodinkodinam-bola : nogiazan’ny Arai ny vola 6 miliara Ar sy fiara miisa 206
Napetraka ny paikady vaovao hoenti-manatsara ny asa famerenana amin’ny fanjakana ny harena azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna. Efa nahazoam-bokatra ny asa vita teo aloha, araka ny tatitra natao tetsy Antanimena, omaly. Nambaran’ny tale jeneralin’ny Antokondraharaha misahana ny famerenana ireo harena azo tsy ara-dalàna (Arai), Rasoloharimanana Aimé, fa mitentina 6 miliara […]
TSELATRA
Voasambotry ny zandary ireo jiolahy efatra tompon’antoka tamina halatra varavarana amina tranon’olona iray eny Tsaramanga Tsiafahy, afakomaly. Tratra teny amin’izy ireo koa ny fitaovana fampiasany rehefa manao ny asa ratsiny. Maro ireo tranon’olona very varavarana amin’iny faritra iny, raha ny fanazavan’ny zandary. Tratra teo am-panongotana jiro manazava ny tanàna ao […]
Itaosy : lehilahy maty voatsatok’antsy
Lehilahy iray vao erotrerony hitan’ny fokonolona nihosin-dra nitsirara tamin’ny tany tao amin’ny fokontany Ambohijanamasoandro Itaosy, omaly maraina. Tsy nisy aina intsony io lehilahy io ary nihohoka. Voaletra antsy teo amin’ny ambavafony io lehilahy io. Mpandalo vao maraina no nahatsikaritra ny fisiany ka nampandre avy hatrany ny manodidina. “Tsy mbola misy […]




